airtel

kolontsaina

21-avril-2022

kolontsaina

Raharaha OMDA Andrasana izay mety ho tohiny

Sample post image

Mba tsy hahadiso ny ady hevitra atao dia nitondra fanazavana momba ny fanesoran’ny filankevitry ny minisitra ny Talen’ny OMDA sy ny tena asa sahanin’ny OMDA tao amin’ny fahitalavi-pirenena

21-avril-2022

ny tale jeneralin’ny kolontsaina sady filohan’ny filankevi-pitantanan’ny OMDA. Razafiarison Francis Alexandre, ny 9 febroary teo. Notsiahiviny fa rafitra mifandray na “organisme rattaché” amin’ny minisiteran’ny serasera sy kolontsaina ny OMDA na ny “Office Malgache des Droits d’Auteur” fa tsy orinasa tsy miainkina na fikambanana tsotra. Mpiasam-panjakana ambony na “Hauts employés de l’Etat” tendrena amin’ny filankevitry ny minisitra no mitantana azy. Amin’ny rafitra misy ankehitriny dia « Tale » fa tsy « Tale Jeneraly » ary izay minisitra misahana ny kolontsaina no misafidy sy manolotra ny fanendrena azy eo anatrehan’ny filankevitry ny minisitra, araky ny lalana velona. An’arivony ny mpikambana ao amin’ny OMDA manerana ny nosy, izay tsy ny mpihira ihany. Mpikambana ao koa ohatra ny mpanoratra boky, ny mpanoratra tantara amin’ny onjam-peo, ny mpanoratra horonantsary mihetsika, sy ny maro hafa… Ankoatra izay, notsipihin’ny filohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny OMDA ihany koa betsaka amin’ny mpikambana ao amin’ny OMDA no nitaraina ho tsy afa-po sy tsy nisitraka ny zony ary nahatsiaro tena ho natao ankilabao. Mila ainga vao arak’izany ny OMDA, anton’ny fanoloana ny mpitantana azy, izay efa 20 taona no nitantana azy. Ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina dia mandray ireo tolo-kevitra avy amin’ny rehetra, fa indrindra ny mpanakanto ho fanomezana ainga vao ny OMDA, hoy hatrany ny voalaza tamin’izany.
SARY 1
TSY MAHALALA NY ATY VILANY
Tsy mpikambana ao anatin’ny OMDA ka tsy mahalala ny aty vilanin’ny mpanakanto I Andry Andriatongarivo, vadin’ny Minisitry ny Serasera Lalatiana Rakotondrazafy, izay nilaza fa tsy nahavita ny asa niandraiketany nandritra ny 20 taona nipetrahany teo amin’ny toerany ny Tale Jeneralin’ny OMDA, Haja Ranjarivo hoy ny mpanakanto Samoela, 2 andro nialoha izany. Niteraka fifamaliana tao amin’ny tambajotra-tserasera teo amin’i Rossy sy teo amin’ny vadin’ny Ministry ny Serasera moa ity fanesorana ny Talen’ny OMDA nandritra ny Filankevitry ny Ministra ny 02 Febroary lasa teo ity, raha tsiahivina. Tsy mahalala ny aty vilanin’ny OMDA io, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra tamin’izay fotoana izay.
TSY MINISITRA NY VADINA MINISITRA
Nanangam-bovona koa ny depiote Ramasimanana Paul Bert, izay fantatry ny maro amin’ny anarana maha mpanakanto hoe Rossy. Tsy minisitra ny vadina minisitra, hoy izy, tamin’izay. Ankehitriny, mampametra-panontaniana ny niafaran’ity raharaha ity. Tsaroana ny zava-nisy tamin’ny fotoan’androny tamin’ny nanafoanana ny rafitra misahana ny sarimihetsika na ny OMACI kanefa nosoloina rafitra hafa ihany taty aoriana. Rafitra izay napametram-panontaniana ireo mpisehatra anaty sarimihetsika hoe rafitra vaovao tena hiahy azy ireo tokoa ve sa hiahy ny tombontsoan’ny mpitantana ny minisiteran’ny kolontsaina? Mazava ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny kolontsaina sady filohan’ny filankevi-pitantanan’ny OMDA voalaza teo fa ny minisitra izany no manendry ny talen’ny OMDA amin’ny rafitra “ankehitriny” raha toa ka mirona any amin’ny fanazavana fa karazana orinasa tsy miankina ary manana mpiara-miombon’antoka na “actionnaire” ity rafitra ity ny fanazavan’ireo artista hafa toa an-dry Samoela. Araka ny nambaran’ny mpanakanto sady mpamorona, Hery Gold na Heriniainatiana Randriantsalama omaly kosa dia samy manana ny fandraisany ilay tena fototr’olana ny rehetra fa amin’ny ankapobeny dia maro ny artista Malagasy manan-talenta. Voalohany, hoy izy, eo amin’ny famoahana ilay hira dia efa olana be vao mahatafavoaka izany eo amin’ny enti-manana. Mbola vola koa avy eo no hanaovana ny fanelezana azy sy ny karazany. Raha vao tsy mandeha amin’ny haino aman-jery ny hiranao dia tsy ho tafiditra isitraka ny zonao mihitsy ianao. Takona amin’iny fotoana iny ny artista madinidinika fa saika ireo fanta-daza ihany no misitraka ilay izy. Mba tokony ho jerena akaiky anefa ireo mpamorona tena manao ny ainy tsy ho zavatra, hoy hatrany ny tenany. Isan’ny fanontaniana goavana nisongadina moa ny hoe isaky ny praopagandy ihany ve vao fantatra ny artista? Ahoana tokoa izay fijerena ny hoavin’izy ireo izay? Efa niravina ve ity raharaha OMDA ity? Rahoviana ny artista sy mpamorona Malagasy vao hipetraka amin’ny toerana tena tokony ho sahaza azy tahaka ireny any amin’ny firenena mandroso ireny? Miandry ny tohiny!
Nanangona sy nandrindra: J. Mirija
SARY 2 : Tokony ho jerena akaiky ireo mpamorona ho i Hery Gold
 

 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Voafantina handray anjara amin'ny praograma International Visitor Leadership Program na IVLP

Card image cap
16-avril-2024

Na dia tao anatin’ny aretina mafy aza ny mpanankato Thierra Bruno tamin’ny taona 2023

Card image cap
16-avril-2024

Faly miantso ny vahoaka rehetra taranak’Ambohidanierana, FJKM Fahazavana,

Card image cap
15-avril-2024

Nifarana Zoma 12 Aprily alina teo ilay hetsika Sarika ho fampandriana fahalemana ny eto amin’ny

Card image cap