airtel

kolontsaina

18-janv-2021

kolontsaina

Raharaha tany eny Alasora “Hatolotra ny fanjakana raha misy ny vakoka tafiditra”

Sample post image

Lasa resabe tao anatin’ny andro maromaro ny momba ny hoe: “Lasan’ny sinoa

18-janv-2021

 

 

 

ny vohitra masina Alasora, ary horavana ny vakoka ao Ambohitrandriananahary”, dia nisy ny fanazavana sy fanambarana teny Alasora ny sabotsy teo. Araka ny taratasy fanamarinana tany, izay navoakan’ny Mpikajy ny fananan-tany ao Antananarivo Avaradrano, dia tsy tanim-panjakana izy io. Novidiana Malagasy manambady teratany sinoa. Nanomboka ny taona 1935 araka ny didim-pitsarana N°22 tamin’ny 07 febroary 1935 sy ny didim-pitsarana N°14 tamin’ny 02 janoary 1935, ary voasoratra tao amin’ny bokin-tany tamin’ny 24 jona 1935, dia an’olon-tsotra io tany io no namidin’ny mpandova, teo anatrehan’ny “notaire” tamin’ny 20 jona 2020, hoy ny fanazavana. Araka ny fifanarahana nifanaovan’ny tompon’ny tany sy ny kaominina Alasora kosa, dia tao anatin’ny fehin-kevitra novakian’ny Ben’ny Tanàna Atoa Jimmy Randriantsoa nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy 16 janoary teo no nanehoana fa: Omen’ny tompon-tany maimaimpoana an’ny Fanjakana Malagasy ny ampahan-tany, izay misy ireo vakoka ireo, raha toa ka misy tafiditra ao amin’ny taniny izany, ka hatao vako-pirenena na “patrimoine national” io toerana io, araka ny fifampiresahana tamin’ny Minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera; vonona hiara-hiasa amin’ny Kaominina Alasora ny tompon-tany amin’ny fanarenana ireo vakoka ireo, ka hasongadina izany vakoka izany mba ho azon’ny daholobe tsidihina. Hanomboka amin’ity herinandro ity ny fanatanterahana ny fifanarahana, izay mbola hialohavan’ny fidinan’ny mpandrefy tany “géomètre” eny an-toerana hanamarina izany rehetra izany. Tsy hisy zavatra horavana ao, fa handeha hanao fanamarinana aloha, hoy ny ben’ny tanàna Jimmy Randriantsoa.

 

 Mbola tsy naharay taratasy fangatahana hanorina amin’ny zavatra rehetra hatao eny, hoy ny ben’ny tanàna. Tsy fantatry ny kaominina ny nampidirana ny “engins” eny an-toerana, ary efa nisy ny sazy tamin’ny alalan’ny fampidirana valam-pamonjana (Fourrière) izany. Miandry izay ho tohiny, ary tsy irery ny kaominina, fa tsy maintsy manana ny teny ambarany ihany koa ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany amin’ny resaka toy izany, hoy ny ben’ny tanàna Jimmy Randriantsoa. Toky R

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Voafantina handray anjara amin'ny praograma International Visitor Leadership Program na IVLP

Card image cap
16-avril-2024

Na dia tao anatin’ny aretina mafy aza ny mpanankato Thierra Bruno tamin’ny taona 2023

Card image cap
16-avril-2024

Faly miantso ny vahoaka rehetra taranak’Ambohidanierana, FJKM Fahazavana,

Card image cap
15-avril-2024

Nifarana Zoma 12 Aprily alina teo ilay hetsika Sarika ho fampandriana fahalemana ny eto amin’ny

Card image cap