airtel

kolontsaina

06-déc-2023

Raiamandreny ara-drazana

Hamoaka tondrozotra hitondrana ny Firenena…

Sample post image

Taorian’ny fihaonana sy fanambarana, ary fanaterana fehin-kevitra teny

06-déc-2023

amin’ny HCC sy ny Masoivoho Frantsay, hiroso amin’ny dinika lehibe amin’ny fampihaonana ny Malagasy Tompon-tanindrazana ahitana solontena manerana an’i Madagasikara ny Raiamandreny ara-drazana tarihin’ny Antenimieran'ny Raiamandreny Foko malagasy (ARFM), Ny BAAAM Fiombonan'ny Mpiziva eto Madagasikara sy ny Grand Sud, ny Triangle Du Nord, ary ny Zanakarivo Imerina 6 Toko, miaraka amin'ireo Fikambanana marolafy ny 13-14 novambra izao, etsy amin’ny Live Hotel Antananarivo. Tonga, hoy izy ireo, ny fotoana hiheverana miaraka amin'izay ny Tanindrazana. Nanamafy izy ireo fa anatin’ny mitady ny very isika, mitady ny rariny sy ny Fahamarinana amin'ny Tanindrazana, mikatsaka ny hahatonga an'i Madagasikara ho Firenena marin-toerana, matanjaka ara-toe-karena mahavelona vahoaka, mendrika ny hasin'ny Fiizina malagasy sy ny hasim-piandrianam-pirenena, manaja zo aman-kasina maha-olona sy ny aina,… Tanjona ny hahatonga an'i Madagasikara ho Firenena tsara rindra sy lavorary, mihavana, lavitry ny valifaty, maha-te-honina sy manan-danja eo anatrehan'izao tontolo izao. Mba ho fiainam-baovao mifantoka amin'ny asa fampivoarana ara-toekarena araka ny tena izy sy ara-drariny ary am-pahamarinana amin'izay no hisy eto Gasikara manomboka izao. Manamafy ny fiantsoana ny ny Foko malagasy rehetra manerana ny Nosy, ny Zanakarivo isam-pokony akaiky vilany feno harina, ny Lohandriana sy zanak'andriana isa-tsokajy isam-bohitra, Ny Raza, Ny Tariky, Ny Fehitry, Ny Troky, Ny Anarandray, ny Ampanjaka sy Mpanjàka, Tangalamena sy Olobe (Doyens), Sojabe, ny Lognaky, ny Vovonana PAN-FFKM, Loham-piangonana mozilimàna, Jodaisma sy ara-dràzana, ny Fiangonana zandriny izy ireo amin’io fihaonambe io. Ho fantatra eny an-toerana ny fandaharaham-potoana, fa ny tanjona dia tsy maintsy mamoaka « Tondrozotra » ho an'ny Firenena Malagasy izany fampihaonana ny tompon'ny madagasikara izany, ka nanasa am-panajana ireo voatonona etsy ambony izy ireo, ary nosinganina manokana amin’ny fanasana am-panajana ireo Filohan'ny Andrim-panjakana rehetra, ireo kandidà ho Filoham-pirenena rehetra tsy an-kanavaka, ny Fianakaviamben'ny Foloalindahy sy ny Fitsaràna, ny Firaisamonim-pirenena marolafy, ny sendika,…
TENA TOMPON’I MADAGASIKARA VE NY MALAGASY ?
Manamafy ireo Raiamandreny ara-drazana, fa famaranana ny tolom-panafahana niainga tany amin’ny 1947 izao. Tsy midika fandroahana vahiny na fankahalana vahiny ny fampodiana ny diplaomasia Frantsay, fa ahafahana mandamina ny firenena, hoy Atoa Rankotondrasoa Noel Isan’ny mpitarika ny Antenimieran’ny Raiamandreny. Mitambatra ho iray ny foko rehetra, ary fandraisana andraikitra ho an’i Madagasikara ankehitriny sy ny ho avy no andraikitra lehibe raisina, hoy izy ireo izay nanamarika fa tokony ho voalohany isika eto Afrika raha ny harena ka nahoana no tahaka izao ? Tena tompony ve isika sa olon-kafa no miseho ho tompony ka isan’ny hodinihana sy hamoahana ny tondrozotra ny hoe : ahoana no tena haha tompony antsika hampiadana ny Malagasy ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Hatramin’izao dia mbola tsy eken’ny fanjakana malagasy ho andro tsy fiasana

Card image cap