ny Tanindrazana, eny amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ny Antenimieran’ny Raiamandreny sy ny foko eto Madadagasikara na ny ARFM ny 24 Febroary ho avy izao. Hofaranana amin’io fotoana io ihany koa ny tolom-panafahana 47, raha ny nambaran’izy ireo. Ao Mahamasina moa no misy ny vato masina, ka nisafidianana ity toerana ity. Nahitsy moa ireo Raiamandreny ara-drazana nilaza fa tsy resaka fanoherana na fombana ny fitondrana no hijoroan’izy ireo, fa tena ho an’ny Firenena. Teo anatrehan’ny filazana sy fanentanana amin’ny fitokonana faobe, dia nambara izy ireo fa ajanona aloha iny satria tena anaty krizy fahasahiranana ny firenena, ka sao hanampy trotraka an’izay ity firosoana amin’izany. Havelan’ny Fitondram-panjakana hiditra etsy amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ve izy ireo eo anatrehan’io fikasany io ? Inona no mety hitranga ?
Toky R
Sary fanehoana
Tonga eto Madagasikara indray i Chris sy Laura CHRISTENSEN, mpamorona ny tarika Exo.
Hoavy amin’io volana may io ny voka-dehiben’ny Taratry ny mazava, hoy ny filohan’ity antoko mpihira ity,