fahaiza-mamorona, fanehoan-kevitra,..
Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharanasa “SLANG – Freedom 250”, tetikasa iarahan’ny Masoivoho Amerikana, ny fikambanana Madagaslam ary ny tambajotran’ny American Spaces ao Antananarivo, Mahajanga ary Taolagnaro. Nambaran’ireo mpikarakara fa fitaovana iray ahafahan’ny tanora manatsara ny fahaizany miteny anglisy, mampivelatra ny fahaiza-mamorona ary mampahery azy ireo haneho hevitra ampahibemaso ny slam. Ankoatra izay dia manampy amin’ny fampivelarana ny fahaiza-mitarika sy ny fandraisana andraikitra eo amin’ny fiarahamonina ihany koa izy io. Araka ny nambaran’i Ryan Peseckas, Mpanolotsaina momba ny Serasera sy ny Kolontsain’ny Masoivoho Amerikana, anisan’ny soatoavina fototra mampiavaka an’i Etazonia ny fahafahana maneho hevitra malalaka. Tao Etazonia, indrindra tao Chicago, no nipoiran’ny slam tamin’ny taona 1980. Zavakanto mifototra amin’ny fanoratana sy fanolorana lahatsoratra an-tsehatra izy io, ahafahan’ny mpandray anjara mizara ny tantarany, ny heviny ary ny fomba fijeriny amin’ny hafa. Nanomboka teo dia niparitaka eran’izao tontolo izao ny slam ary lasa sehatra fanehoan-kevitra sy fifanakalozan-kevitra ho an’ny tanora maro,... Homena fiofanana ihany koa ireo mpandray anjara mba hanamafisany ny fahaiza-mamakafaka sy handrafetany lahatsoratra mahomby, ary hahay hiteny amin’ny fomba mazava sy maharesy lahatra eo anatrehan’ny besinimaro. Aorian’ny fiofanana, hisy fifaninanana hatao eny amin’ireo American Corners tsirairay avy, hahafahana misafidy ireo mpifaninana hiatrika ny dingana manaraka. Misokatra ho an’ny tanora 18 ka hatramin’ny 30 taona monina ao Antananarivo, Mahajanga ary Taolagnaro ny fandaharanasa. Ny famaranana lehibe kosa dia hotanterahina mandritra ny Festival Madagaslam 2026, izay kasaina hatao eto Antananarivo ny 24 ka hatramin’ny 28 novambra. Anisan’ny hetsika manamarika ny fankalazana ny faha-250 taonan’ny nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia ny “SLANG – Freedom 250”, tetikasa iray mampifandray ny fanabeazana, ny kolontsaina ary ny fahalalahana maneho hevitra ho tombontsoan’ny tanora malagasy.
Toky R