airtel

kolontsaina

29-avril-2022

kolontsaina

Ramily mpaka sary Haranty etsy amin’ny Hakanto Contemporary ny sangan’asany

Sample post image

Mpaka sary anisan’ny nanana ny lazany teto amintsika Rakotondrazaka Emile na Ramily izay teraka tamin’ny taona 1938 ary namoy ny ainy tamin’ny taona 2017.

29-avril-2022

Taorian’ny nahazoantsika ny fahaleovantena no tena nahafantarana azy, mpaka sary izay nahay niaraka tamin’ny rehetra ary saika nananany sangan’asa avokoa ny zava-nisy teny anivon’ny fiaraha-monina. Anisan’ny nampiavaka azy ihany koa ny fananany ireo fitaovana tena raitra fahiny toy ny laboratoara….izay haranty sy hita etsy amin’ny Hakanto Contemporary etsy Ankadimbahoaka. Roa taona no nanomanana ny hetsika ka anisan’ny tanjona ny hampahafantarana ny sangan’asany amin’ny daholobe ankoatra ny fanandratana avo ny sangan’azan’ireo mpanankato Malagasy. Tsiahivina moa fa miditra amin’ny andiany fahaefatra ny fampirantiana karakarain’ny Hakanto Contemporary. Roa taona sy tapany izay no nanaovany ity hetsika ity ka efa nahazoany mpitsidika hatrany amin’ny 10.000 isa. Efa mahatratra 60 isa kosa ireo mpanankato notohanany sy nahazo tombontsoa avy amin’izy ireo.
Pati
 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap
17-avril-2024

Hiainga eny Talatamaty indray ny 5 may izao ny «Revy Mahaleo» i

Card image cap