mahalala izany eny fa na dia ireo milaza ho efa tompo-tany aza. Tovovavy kely iray antsoina hoe : Fy izay vao 12 taona monja no fantatra fa natelin’ny rano tao amin'ny vavan’ny vinan’i Manakara omaly Talata 12 Septambra atoandro. Mirahavavy izy ireo no niaraka nilomano raha araka ny vaovao voaray no sady nidio. Ilay zandriny no saika lasan’ny rano nandritra izany. Rehefa niezaka nanavotra azy anefa ilay zokiny dia ity farany indray no natelin’ny rano ka mbola tsy hita hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Raha araka ny fanazavana azo avy any an-toerana moa dia tsy maintsy hanaovana fomba ny tranga tahaka izao vao mety ahitam-bahaolana. Manafatra ireo vahiny hiazo iny faritra Manakara sy Farafangana iny araka izany ireo olobe any an-toerana mba samy hitandrina fa maro fomba tsy azo hivazivaziana any an-toerana.
Nangonin’i Pati
Legende : Be fadifady ny ranomasin’i Manakara !
Herinandro mahery kely taorian’ny nirosoan’ny antenimierampirenena