airtel

kolontsaina

04-août-2026

RANOROMAMPIONONA VOARY

Voafidy hitantana ny

Sample post image

FAMPIMA mandritra ny 4 taona

04-août-2026

Ranoromampionona Voary indray no voafidy ho filoha vaovao hitantana ny FAMPIMA na ny Fikambanan'ny MPIkabary MAlagasy manerantany mandritra ny 4 taona. Notanterahina tany Mahajanga tamin’ny herinandro lasa teo ny zaikabe maneran-tany andiany fahaenina an'ny FIMPIMA. Ambohim-pihaonan'ireo mpikirakira teny sy mpikabary avy amin'ny faritra samihafa ny tany Mahajanga nandritra ity fihaonana ity. Nisy ihany koa ny fiofanana sy fifampizarana traikefa teo amin’ny samy mpikabary ary vela-kevitra momba ny fomba amam-panao Sakalava. Nandritra ity fihaonambe ity no nanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany. Efa-taona no fe-potoana hiasan-dRanoromampionona Voary. Tanjony ny hampiroboroboana hatreny ifotony ny teny sy ny soa toavina Malagasy. Nankasitraka feno an-dRandriamboavonjy Hanitra filohan'ny FIMPIMA teo aloha ny tenany nandritra izany izay marihina fa tena nahavitabe tokoa. Any Toamasina no hanatanterahana ny Zaikabe Maneran-tany andiany fahafito amin'ny taona 2030.
Pati
Légende : Izy no Ranoromampionona Voary, Filohany FIMPIMA vaovao !
 

Dans la même rubrique