airtel

kolontsaina

18-août-2025

Rap Malagasy

Hankalaza ny faha-30 taonany ny North and Center

Sample post image

Feno 30 taona amin’ity taona 2025 ity ny tarika mpiangaly Rap malagasy, North and Center.

18-août-2025

Hankalaza izany, ny tarika ato ho ato fa tsy avela handalo fotsiny io vanim-potoana lehibe, hoy ny fanazavàn’izy ireo. Hisy, noho izany, ny fampisehoana goavana ao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, izay ho ampahafantarina miandalana. Heverina ho tetezina ao anatin’izay ireo vazo nanamarika hatramin’ny taona 1995, noforonan’ny tarika no ho nankaty. Tao ry «Revy sa ditra?», «Tsy digniko!», «Mahatsiaro» sy ny hafa maro tsy voatanisa. Andrasana, araka izany, ny fanampim-baovao miandalana momba izany, raha ny fanazavàna hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique