airtel

kolontsaina

01-déc-2021

kolontsaina

Ratrema William “Mbola tena ilaina ny boky, sarobidy ny haren-tsaina entiny”

Sample post image

Mbola tena ilaina ny boky na inona na inona fivoaran’ny teknolojia ankehitriny noho ny hasarobidin’ny haren-tsaina ao anatiny entiny eo amin’ny asa fanabeazana.

01-déc-2021

 Io no nambaran’ny mpanabe Ratrema William omaly nandritra ny fanatrehany ilay foaran’ny boky notanterahina nanomboka omaly etsy amin’ny Plaza Ampefiloha. Toeram-pivarotam-boky maro samihafa no indray mivarotra sy mampiranty ireo karazam-boky mandritra izany izay samy manana ny hanitra ho azy avokoa. Saika hita eny an-toerana avokoa na boky amin’ny fiteny Malagasy na amin’ny fiteny Frantsay na amin’ny fiteny Anglisy indrindra fa ho an’ireo ankizy madinika. Nambaran-dRatrema William moa fa na ho azy ireo ao amin’ny vondro-panabeazana Aceem aza dia mbola manana ny toerany tanteraka ny boky amin’ny fanabeazana ny mpianatra noho izany tsy tokony hataon’ny rehetra ambin-javatra ny famakiana sy ny fandraisana lesona ao anatin’izany.
Pati
Legende : Ny mpanabe Ratrema William tetsy amin’ny foaran’ny boky tetsy Ampefiloha omaly
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap