airtel

kolontsaina

13-avril-2021

kolontsaina

Rivellino Ravelomahazo “Manana tombony isika manana ny ady gasy”

Sample post image

Hafa kely ny Coronavirus nitranga tamin’ity 2021 ity, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena,

13-avril-2021

 

 

Rivellino Ravelomahazo na Rivo, satria nisy ity antsointsika hoe “Variant” na karazany vaovao amin’ilay valanaretina avy atsy Afrika atsimo tafiditra eto Madagasikara ity. Araka ny fanazavan’ny filoham-pirenena moa, hoy izy, dia ny fidirana an-tsokosoko avy atsy Kaomoro no isany tena nampihanaka azy. Voatery mamaha ny seha-pihariana rehetra hivezivezen’ny entana sy vola anefa I Madagasikara satria tsy maintsy miezaka mampitraka ny toekarena. Voatery miara-miaina amin’ilay valanaretina ihany koa ny mpitondra sy vahoaka maneran-tany. Tsy maintsy jerena noho izany ny fanefitra sy fomba hahafahana miatrika izany. Betsaka ireo mitondra ilay aretina na dia eo aza ny CTC sy toerana hafa handraisana ireo marary satria ny fifamezivezen’ny mponina anaty faritra mihidy tsy azo ajanona satria iaraha-mahalala fa ny ankamaroan’ny seha-pihariana eto Madagasikara dia ao anatin’ireo sokajiana ho tsy andraisan-ketra na “informel”. Tsy hamaha ny olana amin’ny Corona ny firosoana amin’ny fanakatonana satria ilay aretina vaovao. Mivoatra koa ny fomba fitsaboana sy fanafody ilaina aminy nefa tsy afaka hiasa ny olona hiarany ary hanahirana na ny sakafo ho aniny aza. Miiba ny harinkarena satria mbola tsy miodina araka ny tokony ho izy ny toekarena eto amin’izao tontolo izao sy ny fifamoivoizana. Rehefa miiba io ary tsy maintsy avelanao hiasa ny olona dia lojika fa tsy maintsy hahazo vahana ilay aretina. Manao vakisiny ny any Frantsa ary nosokafana hanaovana izany izao ny Stade de France fa mbola mitombo 20.000 na 30.000 isa ihany no voa. Tsy tena azo heverina hahasitrana ny Coronavirus noho ny fiovaovan’ilay singa anaty aretina, noho izany, ny vakisiny izay misy ireo ary manana tombony isika eto Madagasikara manana an’ity ady gasy ity, hoy hatrany ny tenany, ary isany antony mbola miazona ny Malagasy amin’izao io.

 

J. Mirija

 

 

 

 

 

 

Dans la même rubrique