airtel

kolontsaina

09-févr-2024

Rock’n’roll

Nodimandry i Balafomanga

Sample post image

Misaona indray ny tontolon’ny mozika malagasy satria dia nodimandry

09-févr-2024

tampoka omaly alakamisy 8 febroary 2024 i Andry Balafomanga na Andry Rakotozandry, izay nanangana ny tarika Balafomanga. Azo lazaina ho mpanakanto nivoy mozika sy dihy Rock’n’roll voalohany teto Madagasikara nandritry ny taona maro izy fahavelony. Nizara sy nampianatra "danse de salon" ihany koa. Miomana hankalaza ny faha 40 taonan'ny tarika Balafomanga ry Andry Rakotozandry no izao nindaosin'ny fahafatesana izao. Isan’ny hira nahafantarana azy ary mbola nisy nanakoako tamin’ireny fetin’ny faran’ny taona ireny ry «Inona no jerijerena?», «Jono botry», « Fanafodiko». Ny 3 febroary teo no nahitana azy mbola nanafana sehatra farany ary dia maro no tsy nino fa lasa ity mpanakanto nametraka teo amin’ny tontolon’ny hira sy mozika malagasy ity, 5 andro taty aoriana. Mirary fiononana feno ho an’ireo akaiky azy rehetra sy ny fianakaviany moa ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija
Légende : Balafomanga ny 3 febroary teo
 

Dans la même rubrique