airtel

kolontsaina

14-sept-2026

Rovan'i Madagasikara

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

Sample post image

Vita tanteraka ny tetikasa fanazavana

14-sept-2026

maharitra amin’ny herin’ny masoandro ao amin’ny faritry ny Rovan'i Madagasikara notanterahan'ny Groupe Filatex, ka notokanana ofisialy ny takarivan'ny 11 septambra 2026. Ity tetikasa ity dia vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ary ny ORMADA, ho fanamafisana ny fiarovana sy ny hatsaran’ny toerana manan-tantara indrindra eto Madagasikara. Ny Rova dia toerana manan-tantara sy masina, ka mitaky fiarovana manokana. Noforonin’ny Filatex ny rafitra fahazavana mandeha amin’ny masoandro izay miasa ho azy rehefa maizina ny andro, manana faharetana na "autonomie" 12 ora, ary tsy manimba ny endriky ny toerana. Natao hanampy amin’ny: fisorohana ny fidirana an-tsokosoko, fanatsarana ny asa sy ny fahitana ho an’ny mpiambina, fiarovana ny hatsaran’ny tontolo manodidina. Ny mpanao maritrano Fara H. Rahoelirivahy, filohan’ny Ordre des Architectes Malagasy, no nitarika ny fanatanterahana ara-teknika. Nifantoka tamin’ny fahatsorana sy ny hatsaran’ny endrika ny asa, ka napetraka ireo plots solaires 60 isa madinika amin’ny lalana sy zaridaina, tsy manimba ny maha-izy ny toerana. Ankehitriny, ravahan'ny 60 plots solaires manana tanjaka 200 lumens avy ny Rovan'i Madagasikara. Fitaovana vita amin’ny fonte d’aluminium sy polycarbonate, manazava 8 000 m² amin’ny fahazavana malefaka sy mahafinaritra. Ny takelaka famantarana napetraka ao amin’ny Rova dia manamarika ny fiaraha-miasa mahomby eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana amin’ny fiarovana ny lova ara-kolontsaina nolaroina amin'ny teknolojia. Maneho ny fampitambarana ny lova ara-tantara sy ny fanavaozana maharitra manaraka ny toetr'andro. Ity fanavaozana ity dia manokatra ny làlana ho amin’ny fitsidihana amin’ny alina, manampy amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany sy ny kolontsaina eto Antananarivo. Eo amin'ny 800 isan'andro eo ny mpitsidika amin'izao, izay arakaraka ny vanim-potoana, saingy heverina fa hampiakatra izany ny mety ho fahafahana mitsidika amin'ny alina. Ny fampiasana herin’ny masoandro dia manome fahaleovan-tena tanteraka amin’ny tambajotra elektrika, manamarika ny fandraisana andraikitra ara-tontolo iainana.
Toky R
 

Dans la même rubrique