airtel

kolontsaina

07-déc-2021

kolontsaina

Sakafo voalanjalanja sy tsara karakara Manatsara ny saina sy antoky ny fahasalaman’ny vatana

Sample post image

Ny 42%-n’ireo ankizy latsaky ny 5 taona eto amintsika no mbola miaina ao anatin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka.

07-déc-2021

Vokatry ny tsy fahaizana mampiasa ny vokatra sakafo misy, ny sakafo tsy voalanjalanja ary ratsy karakara no mahatonga izany amin’ny ankapobeny. Tamin’ny 28 febroary 2012 anefa dia niditra tao anatin’ilay tetikasa Scaling up Nutrition i Madagasikara. Firenena miisa 63 no mandray anjara amin’izany izay samy manana tanjona hanatsara ny sakafon’ny mponina ao aminy ho antoky ny fahasalaman’ny vatan’olombelona sy hanatsarana ny saina, indrindra fa ho an’ny ankizy madinika. Anisan’ny miara-misalahy amin’ny fanatontosana izany ho antsika eto Madagasikara ny ONN, ny HINA, Anjaramasoandro izay avy amin’ny sehatra tsy miankina ary ny Mikasa izay mpanao fikarohana fotsiny ihany. Nankalazaina omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fiarovana ara-tsakafo andiany voalohany. Tetsy amin’ny Hotel le pave Antaninarenina no nentina nanamarihana izany. Ho an’ny vovonana Anjaramasoandro na SUN Business Network manokana izay ahitana orinasa miisa 31 dia fantatra fa miezaka hatrany izy ireo mikarakara sy mamokatra sakafo ara-pahasalamana hatolotra ny mponina. Ho am’ny vovonana HINA kosa izay miezaka manakaiky ireo mponina manerana ny faritra 23 dia miezaka mampita fahatra sy mampianatra ny isam-batan’olona izy ireo mba hahafahana mihinana sakafo tsara sy ara-pahasalamana.
Pati
Legende : Omaly tetsy amin’ny le Pavé Antaninarenina
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap