airtel

kolontsaina

23-nov-2021

kolontsaina

“Salon Voatra” andiany faha-8 Natao hanandratana ny vita Malagasy

Sample post image

Hotontosaina ny 24-27 novambra 2021 ho avy izao etsy amin’ny Kianja Malacam Antanimena ny « Salon de la Créativité Voatra » andiany faha-8,

23-nov-2021

tafiditra ao anatin’ny famaranana ny faha-100 taonan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria eto Antananarivo na ny CCIA. Hetsika ara-barotra, ara-toekarena, ara-pamaronana,… izay efa fanao isan-taona nanomboka tamin’ny 2013. Lohahevitra nosafidiana amin’ity ny hoe: “La transformation au Cœur de la créativité” na « Ny fanodinana akora fototra ivon’ny fahaiza-mamorona ». Tanjona ny fanohanana ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) eto Analamanga sy manerana an’I Madagasikara. Mifototra amin’ny fanandratana ny vokatra vita Malagasy azo avy amin’ny fanodidina ny akora fototra, araka ny fampahafantarana nataon’ny Tale Jeneralin’ny CCIA Atoa Hery Nirina Andrianaivo sy ny Filohan’ny Komity mpikarakara sady Filoha lefitry ny CCIA Rtoa Rocquie Evelyne Rabemanantsoa tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina omaly. Hisy ny varotra fampiratiana, fampihaonana ara-barotra, na fifampihaonana eo amin’ny samy mpandraharaha, valandresaka sy atrik’asa, fifampizarana traikefa, fijoroana vavolombelona, fifaninanana eo amin’ny samy mpandray anjara, fisintonana mpiara-miombon’antoka…40 eo ny tranoheva, maimaimpoana ny fidirana ary 4000 eo ny mpitsidika andrasana. Tafiditra ao anatin’ny fanomezana tohana ny orinasa Malagasy satria mety misy tsy manana hoenti-manana hanaovana dokam-barotra be. Tokony hanjifa ny vokatra Malagasy mba ho fanohanana ny mpandraharaha Malagasy ny mpanjifa eto Antananarivo sy manerana ny Nosy, hoy ny Tale Jeneralin’ny CCIA Atoa Hery Nirina Andrianaivo. Hisy ny loka ho an’ny vokatra mendrika indrindra na “meilleur produit” tsaraina amin’ny lafiny endrika amam-bika sy ny mampiavaka azy, ny fonosana tsara sy mendrika indrindra na “meilleur Packaging” mahakasika ny fonosan’ny akora, ary ny tranoheva tsara indrindra na “meilleur stand”. Eo ambany fiahian’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rabarinarison Rindra Hasimbelo, ary ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana Atoa Edgard Razafindravahy ny hetsika Voatra andiany faha-8 ity.
Toky R
Légende : Rtoa Rocquie Evelyne Rabemanantsoa sy Atoa Hery Nirina Andrianaivo Tompon’andraikitra eo anivon’ny CCIA
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap