airtel

kolontsaina

23-août-2022

kolontsaina

Sambava Efa lasa tsaky ihany koa ny voay

Sample post image

Tsy hahalala intsony ny voay sy ny ragidro ny taranatsika sasany atsy ho atsy. Mandeha hatrany mantsy ny fihazana sy ny fandripahana itony biby arovana itony eto amintsika,

23-août-2022

tahaka ity tranga nampalahelo sady nahavariana izay niseho tao Sambava Centre ity ny sabotsy 20 Aogositra lasa teo. Voay manana halavana teo amin’ny2 metatra teo no fantatra fa nataona mpinamana tsaky ka raikitra ny"brochettes" voay. Tsy fantatra mazava izay toerana nitrandrahan’ireto mpinamana ireto io voay io sy ny fomba nahazoany azy. Efa matysy voadidididy izy no nisy nahita. Tsiahivina moa fa tafiditra ao anatin’ny biby arovana ny voay. Ankoatra izay ho antsika eto Madagasikara dia voarara ny famonoana sy fitrandrahana voay hita eny rehetra eny. Ny voay ompiana ihany no azo vonoina sy hatao sakafo saingy mbola hangatahana alalana avy amin’ny fanjakana ihany koa ny fahafahana manao izany, izay mitaky toerana lehibe tsy manelingelina ny fahafahan’ny hafa.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny halavan’ilay voay natao tsaky tany Sambava
 

Dans la même rubrique