amin'ny fitsaboana azy ireo
Mpanakanto Malagasy roa samy manana ny lazany eo amin'ny mozika no mandalo tsy fahasalamana amin'izao fotoana izao dia i Andriamandresy Hasivelo Roméo fantatra amin'ny anarana maha mpanakanto hoe : Lego sy Rabekoto Honoré Augustin na Bekoto, iray amin'ireo mpikambana mpamorona ny tarika Mahaleo. Raha aretina vokatry ny fahatsentseman'ny lalandra no mahazo an'i Lego dia fihombon'ny fahavoazana noho ny vely botan-kazo nataon'ny jiolahy nanendaka azy andro takariva tany Antsirabe no iatrehan'i Bekoto fitsaboana any ampitan-dranomasina ankehitriny. Hisy ny hetsika firaisankina hataon'ny mpanakanto maromaro amin'ity herinandro ity hanangonam-bola ka izay voaangona mandritra izany, miampy ny avy amin'ny malala-tanana dia hatolotra ny fianakavian'izy ireo avy ho anjara biriky hanohanana ny fitsaboana azy ireo. Anio Alakamisy 12 novambra hariva etsy amin'ny Le Glacier Analakely dia hisy tolo-tànana ho fanampiana an'i Lego. Hatao eny amin'ny hotely Panorama Andrainarivo ny 14 novambra kosa ny takariva ara-javakanto ho fanohanana an'i Bekoto. Amin'ny fotoan-tsarotra toy izno ijoroan'ny namana ary tsy ny mozika fotsiny koa no mampiray ny mpanakanto, fa ny fifanohanana sy ny firaisankina ihany koa.
Jean D.