airtel

kolontsaina

17-juin-2022

kolontsaina

Sarimihetsika Malagasy Nalefa tetsy amin’ny Cinepax ny « voatsinampin’ny fanantenana »

Sample post image

Tontosa omaly tetsy amin’ny Cinepax Tana Water Front Ambodivona ny fandefasana tamina fimaso lehibe na “projection”, hoy isika, ilay sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe “Graines d’espoir”

17-juin-2022

na voatsinampin’ny fanantenana. Tanjona tamin’ny fandefasana ity sarimihetsika mifono fanadihadiana maharitra 90 minitra ity, hoy ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Fonds Yavarhoussen, izay nikarakara izany, ny fanomezana fanantenana indray ireo tanora manomboka kivikivy manoloana izao zava-misy eto amin’ny firenena izao. Nezahana navoitra tao anatin’ny horonantsary ny fanomezana fitenenana ireo tanora sy ny hahaizan’izy ireo handrakitra izany an-tsary hahafahany maneho hevitra. Ilay hevitra moa izany dia mahakasika ny fahitany ny hoaviny eto amin’ny firenena misy azy. Inona no heviny hahafahany manatsara izany raha mijanona eto? Hevitrana ankizy maro teto Madagasikara sy firenena hafa no ao anatin’ny horonantsary. Misy ankizy mbola tsy nahita fakan-tsary hatramin’izay niainany raha tsy tamin’ny fotoana nanodinana ny horonantsary naneho hevitra tao. Tanjona ny hanaparitaka ny horonantsary manerana ny nosy sy ireo tambazotra misy rehetra izay mifanaraka amin’ny fivoaran’ny tekinolojia ankehitriny, hoy hatrany ny fanazavana. Ilay frantsay, Pierre Beccu, moa no nanatontosa ny “Graines d’espoir”.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap