airtel

kolontsaina

11-nov-2021

kolontsaina

Sarimihetsika “Nampoina” Hamelomana indray ny tantaran’Andrianampoinimerina

Sample post image

Nosokafan’ny mpamorona azy, ny Pr Raymond Ranjeva, tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly ny fanombohan’ny fanatontosana ny sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe “Nampoina –

11-nov-2021

 Ny riaka no valampariako”. Sarimihetsika mitantara ny mpanjaka Andrianampoinimerina izy ity, hoy ny fanazavany, ary nezahana hifanaraka amin’ny fahafaha-mandray izany ankehitriny. Na ny sarin’i Nampoina na Andrianampoinimerina entina hamantarana ity sarimihetsika ity aza dia tsy ilay mahazatra antsika izay nataon’I Ramanankirahana tamin’ny taona 1902 fa sary nataon’ny mpanakanto Fanilo Fenohery. Sary 3 rafy na hoe 3D izy io ary niainga tamin’ny fomba famaritra alemanina. Hita amin’ny sary ny felana eo amin’ny andrin’I Nampoina sy ny satroka mifandraika amin’ny zava-misy tamin’ny taona 1609, izay vanim-potoana niainan’ity mpanjaka ity, hoy hatrany ny fanazavana.
SARY 1 : Nezahana hifanaraka amin’ny fahafaha-mandray ankehitriny ny Sarimihetsika Nampoina hoy ny Pr Raymond Ranjeva
Fampahafantarana ny tantara
Maro amin’ireo tanora ankehitriny no tsikaritra fa tsy mahafantatra ny tantarany, hoy hatrany ny Pr Raymond Ranjeva. Isan’ny fomba iray entina hampitana izany amin’ny tanora izao tetikasa izao, hoy izy. Antony iantsoana hatrany ny fifanomezan-tanan’ny tsirairay izany.
Maimaim-poana
Misy ny tranokalam-pifandraisana na site web dia ny www.nampoina.mg azo hijerena ny mombamomba ity tetikasa iriana avadika ho sarimihetsika ity. Sarimihetsika miainga avy amin’ireo rakitsoran-tantara rehetra mikasika ny tantaran’Andrianampoinimerina izy ity ary sokajiana ho sarimihetsika mampihetsi-po, politika, mampiseho an-tsary ny tantara na “fiction historique”. Tanjona ny hanamafisana ny firaisam-pirenena Malagasy manodidina ny tetikasa sy ny foto-kevim-pitantanan’ity andriana nisongadina indrindra teo amin’ny tantaran’I Madagasikara ity. Fotokevitra mbola azo ampiharina amin’izao vanin’andro iainantsika izao. Ho maimaipoana ny fandefasana ny sarimihetsika mba hahitan’ny Malagasy rehetra azy.
Maharitra ora 2
Maharitra ora 2 na 120 minitra ity sarimihetsika ity, raha ny nambaran’ny mpanatontosa, Henri Randrianierenana. Ny fikambanana Valamparihy kosa no tomponkevitra. Ny Profesora Raymond Ranjeva no namorona ny sarimihetsika no sady isan’izay tomponkevitra momba ity tetikasa ity izay. Mark Murphy avy amin’ny Solar products na U.K no mpamokatra. Rupert Parker no talen’ny sary. Tahiana Razafinjoelina no mpiara-manatontosa. Fanilo Fenohery moa ilay voalaza teo no namadika ny sary ho 3D amin’ny maha matihanina azy amin’izany. Anjozorobe, Fenoarivo Atsinanana, Taolagnaro no toeram-panodinana ity sarimihetsika ity. Ireo oniversitem-panjakana dia ezahana hanaparitahana ity sarimihetsika ity avokoa. Eo koa ireo oniversite tsy miankina, ny fimaso lehibe na “écran géant” isaky ny renivohi-paritra, ny haino aman-jerim-panjakana sy amin’ny faritra arakaraka ny fisian’ny fanohanana.


Sehatra iraisampirenena
Ankoatran’izay dia haparitaka amin’ny sehatra iraisampirenena ihany koa ity sarimihetsika ity amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny Netflix vokatry ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny Solar Product. Eo koa ny Youtube sy tambazotran-tserasera samihafa. Miisa 4 tapitrisa ireo olona kendrena ahita izany eto Madagasikara ary 1 tapitrisa kosa eo amin’izay sehatra iraisampirenena izay. Ny jona 2020 no nanomboka ny fanoratana manontolo ny tantara ary ny volana aogositra taorian’io no vita koa ny dikateny tamin’ny teny anglisy niarahana tamin’ny U.K. Ny febroary 2021 no hit any toerana ao Anjozorobe. Ny mai 2021 ny fifanarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka tekinika. Tombanana hivoaka ny aprily 2022 kosa ity sarimihetsika ity raha ny fanazavana hatrany. Isan’ny haino aman-jery mpanohana ny tetikasa moa ny vondrona Vidy varotra izay ahitana ny gazety Vidy varotra, Jejoo, Tia tanindrazana, Top Radio.

Nanangona sy nandrindra: Jaonary Mirija

 

Dans la même rubrique