airtel

kolontsaina

05-avril-2022

kolontsaina

Savorovoron’ny mpitantana ao Mahajanga Atsaharo fa mahamenatra, hoy FIZAMAMI

Sample post image

Nivoaka tamin’ny fahanginany ka nanao fanambarana hentitra ny FIZAMAMI (FIkambanan’ny ZAnaka MAhajanga MIray)

05-avril-2022

 tarihin’ny Filohany Atoa Samy Harison Olivier manoloana ny savorovoro misy eo anivon’ny fitantanana ny tanànan’i Mahajanga tao anatin’ny fotoana lavalava, ny disadisa eo amin’ny Filankevitra Monisipaly sy ny mpanatanteraka tarihin’ny Filohan’ny Delegasionina manokana na ny PDS. Toy ny tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra, hoy ny FIZAMAMI, izay nanambara fa mivoy hatrany ny fitambarana sy ny fitraisankinan’ny daholobe ka tsy afaka ny hitazam-potsiny. “Tsapa fa miha mihenjana ny tady ary mihalalina ny fery, koa miantso ny andaniny sy ny ankilany mba ho tony sy tsy hijery afatsy ny tombotsoan’ny vahoakan’i Mahajanga sy ny vahoaka ao aminy. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana mahefa izahay mmba hijery akaiky izao toe-draharaha izao, mba tsy hampihitatra izany sy tsy hampahatara ny asa fampandrosoana ao anatin’ny tanànan’i Mahanjaga. Miangavy ny vahoakan’i Mahajanga mba tsy hanaiky hosaraham-bazana fa hitandro hatrany ny firaisankiana sy ny maharay antsika jiaby”, hoy hatrany ny fanambarana novakian’Atoa Samy Harison Olivier.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap