airtel

kolontsaina

18-août-2023

kolontsaina

Seho “Bye bye Stenny” Hoenti-manao veloma an’i Gasikara…

Sample post image

Toerana nahaterahako teto Antananarivo, hoy ny mpihira ara-pilazantsara, Stenny na Stenny Ramanoelina, nefa moa ny tena tsy olon-tsotra,

18-août-2023

raha ny fahalalanareo azy angamba, fa olona niezaka nanao zavatra, hizara zavatra amin’ny lafiny mozika sy ara-panahy. Betsaka ny ezaka nataoko teto, hoy izy, saingy tsy afa-po aho fa somary malahelo kely ihany satria tsy dia tsapa loatra ilay zava-bita fa tototry ny zavatra marobe. Ny teknolojia koa moa eo ary be dia be ny fifaninanana. Tsy tezitra akory fa azo lazaina ihany hoe andeha angamba mba hiverenana. Hanorim-ponenana any an-kafa ivelan’ity Madagasikara ity angamba! Amin’io 9 septambra izay hanaovana ny seho mitondra ny lohateny hoe “Bye bye Stenny” ao amin’ny Espace Dera Tsiadana io vao ho lazaiko hoe aiza no aleha, hoy izy. Ny antony faharoa andehanana dia hoe maro ireo toerana mbola tsy nandre na nitoriana ny filazantsara marina tamin’ny alalan’ny mozika ataoko ka maninona moa no hijanona eto amin’ny toerana efa nahavitako bebe ihany ary azoko lazaina hoe tsy mampiasa ahy firy? Aleo mandeha amin’ny toerana mbola mangetaheta sy azo lazaina hoe virjiny. In-jato kely aho no manazava hoe ilay feo ny ahy no Jhonny fa izaho tsy maka tahaka Jhonny. Ny resaka hoe mozikan’i Satana ny Rock dia asaivo mankaty amiko izay Kristianina niteny an’izany satria i satana tsy manana na inona na inona na dia tanan-kavanan’Andriamanitra aza i Losifera no nazera. Samy ampiasain’i satana daholo ny mozika rehetra fa rehefa am-pelantanan’Andriamanitra kosa dia hafa mihitsy ny natiora. Ho ahy manokana ny “Rock” dia manambara tanjaka toy ny vato sy finoana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

 

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Hatramin’izao dia mbola tsy eken’ny fanjakana malagasy ho andro tsy fiasana

Card image cap