airtel

kolontsaina

17-avril-2023

kolontsaina

Seho goavana teny Analakely Nanoratra ny tantara indray ry AmbondronA

Sample post image

Naman’ny efa nanoratra tantara teo amin’ny zavakanto tao anatin’ny 20 taona farany ankehitriny ny tarika AmbondronA.

17-avril-2023

Mbola voaporofo tetsy Analakely indray omaly ny maha andrarezin’ny gadona Pop Rock sy ny fianakavian’izany an’ity tarika ity. Tsy teo Analakely nanoloana ny lapan’ny tanana irery no hipok’olona fa na ireo toerana manodidina koa aza.
MATIHANINA TANTERAKA
Ny seho rahateo moa matihanina tanteraka araka ny efa nampanantenaina ary ireo izay efa nankafy hatramin’ny 22 taona lasa no nankaty dia nahita hatrany ny fivoaran-drizalahy ireto nanomboka tamin’ny nivoahan-dry «Tsy adala aho», sy ry «Ilay tanana» hatraty amin’ny «Tomany irery» sy «Aza ela any» taty. Manodidina ny 30 teo ho eo ny hira nataon-dry Beranto, Kix, Ranto, Blanc ary Honty ; samy tsy nisy afaka am-bavan’ny maro, ka tsy nahagaga raha nalain-kisaraka omaly ny mpanakanto sy ny mpankafy, eny, hatramin’ireo mpijery vao sambany nahita izany tarika AmbondronA izany an-tsehatra teny Analakely teny. «Ampy izay» no hira namaranan’ny tarika ny seho satria hatramin’ny 6 ora hariva no nifanarahana saingy «mbola tsy ampy», hoy ny horakoraka tao anatiny tao na dia efa dila minitra maromaro ihany aza ny fotoana. Mbola tany amin’ny 1 ora latsaka fahefany tany, izany hoe, fahefa-kadiny tsy hanombohan’ny fanentanana nialohan’ny seho dia efa tomefy olona ny nanoloana ny araben’ny fahaleovantena. Nitondra ny anjara birikiny teo moa avy eo ireo mpanakanto namana toy ny mpanao hatsikana, Honorat, ao amin’ny tarika Foy hehy sy ny namany. Tsy isan’andro rahateo izany AmbondronA hiseho maimaimpoana eny an’arabe izany.
FISAORANA, FANKASITRAHANA
«Arabe» no lohateny nampisalorana ity seho tsy manam-paharoa ity. Maimaimpoana satria, tsiahivina hatrany, fa natokan’ny tarika ho fisaorana ranofotsiny ireo mpankafy azy ireo izay teo foana hatramin’izay ka hatramin’izao ary hisaorana sahady ihany koa ireo izay ho lasa mpankafy vaovao ireto mpanakanto izay inoana fa efa vakoka velon’ny mozika malagasy toy ireo zokibe hafa tahaka ny tarika Mahaleo na Regis Gizavo sy ny hafa marobe ireto. «Bangoiko ho iray izay lalantsika hatrizay dia nierika aho hahafahako mandroso indray… ho feheziko amin’ny teny roa… Mankasitraka aho!», hoy ny namehezan’ny tarika azy. Tsy hiadian-kevitra fa dia nametraka efa nametraka ny anarany ary nanoratra ny tantara indray ny tarika AmbondronA tamin’ny alalan’ity seho Arabe natao teny Analakely omaly ity, taorian’ireo seho goavana efa nataony teny amin’ny Coliseum sy ny lapan’ny kolontsaina Mahamasina.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap