airtel

kolontsaina

13-avril-2023

kolontsaina

Seho goavan’AmbondronA Nojerena akaiky ny lafiny fandaminanana

Sample post image

Herinandro mahery kely mialohan’ny seho maimaimpoana goavana ho tanterahana eny amin’ny Avenue Analakely

13-avril-2023

dia nanao atrikasa niaraka tamin’ny pitandro filaminana sy ny sampana mpamonjy voina eto Antananarivo renivohitra ny tarika AmbondronA omaly . Toy ny seho rehetra moa dia tsy maintsy misy ny fandaminana faobe ary arakaraky ny toerana hatrany ny fepetra raisina, hoy ry AmbondronA. Ny fiarovana resahina eto dia mahakasina ny olona, ny fitaovana, ny toerana sy ny fananam-bahoaka, ny fampiasana làlana, fahadiovana, vonjy taitra samihafa...Taorian’ny fijerena ifotony ny zava-misy sy ny toerana izany dia izao nodinihana izao indray ny fomba fiasa sy paikady hametrahana ny fandaminana sy ny fiarovana.ekena fa maimaimpoana ny seho saingy tsy maintsy misy ny feetra arahan’ny rehetra izay ho tonga eny.Ny alahady 16 aprily tolakandro izao moa ity seho ity , natao indrindra isaorana ny rehetra tao anatin’izay 22 taona nijoroan’ny tarika izay.Fa eo ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny tarika AmbondronA amin’ny fanampiana ny zaza Malagasy ka hanomezana fitaovam-pianarana ; alefa manontolo any amin’izany ny vola azo avy amin’ny famarotana ireo T shirt sy kaskety Ambondrona izay hita ao amin’ny www.ketrika.com sy eny amin’ny Pho Resto moa.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap