airtel

kolontsaina

14-juil-2022

kolontsaina

Sendikan’ny artista Tsy mila ny Minisitra Lalatiana intsony izahay

Sample post image

Mangataka ny hialan’ny OMDA (Ofisim-pirenena momba ny zon’ny mpamorona) eo ambany Fiahian’ny Minisiteran’ny Kolontsaina tarihin’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ireo mpanakanto ao anatin’ny sendikan’ny artista

14-juil-2022

mpikambana ao amin’ny Filankevim-pitatanan'ny OMDA, nofidin’ ireo artista, mpamorona mpikambana hisolotena azy ireo amin'ny fanapahan-kevitra rehetra hampandrosoana ny OMDA omaly, izay ahitana an-dry Samoela, Gothlieb, Ndondolah, Princio, Nini, Jaojaoby,… Marihina fa nesorin’ny Minisitra ny 02 febroary 2022 ny Talen’ny OMDA, ka tamin’izany no nisy lonilony. Na eo ambany fiahian’ny minisitera aza, dia hentitra izy ireo nilaza fa tsy mijanona amin’ny maha mpiahy intsony ny Minisitra fa tena mijabaka amin’ny fitantanana ny OMDA mihitsy. Nahitsy noho izany ireo mpanakanto nilaza fa malahelo amin'ny barofo ataon-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy amin’ny tsy fanajana ny rafitra misy mifehy ny OMDA. “Malahelo amin’ny fanitsakitsahana ny lohanay, tsy manisy hasiny anay, manao jadona, mihavonavona, mampisara-bazana ny artista….”, hoy ny fanambarana novakian’I Jaojaoby. Nilaza ireto mpanakanto ireto, fa nofoanan’ny minisitra ny fivoriam-be (Assemblée generale) izay tokony natao ny 16 febroary 2022, fihaonana sy fanaovana tatitra isan-taona; Nofoanany roa andro nialoha ny fivorian'ny Filankevim-pitatanana tokony ho natao ny 03 jona na dia efa naharay fiantsoana aza ny mpikambana. Tsy misitraka ny zony ny mpamorona efa ho enim-bolana izay, ary tsy nisy tombotsoa azonay avy tamin’ny Minisitera hatramin’ny nahateo azo, didy jadona, fanakorontanana, fizahoazahoana no misongadina, hoy hatrany ireo mpanakanto nanamafy.
“AOKA TSY HIKITIKA SY HAMATOTRA NY OMDA INTSONY”
Nalaina ihany koa ny "base de données” misy ny mombamomban'ny mpamorona sy ny sanganasany (donnees personnelles) izay tsy azo havoaka ao amin'ny OMDA, rafitra nanakinanay izany, nandritra ny 38 taona, hoy ny mpanakanto Jaojaoby. Noho izany rehetra izany, “tsy mankasitraka sy tsy maniry ny ho eo ambany fiahin'dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy intsony; mitaky ny hanajanonana ny fifanarahana izay nosoniaviny niaraka tamin'ny orinasa Manoova, izay tena fanaovana didiko fe-lehibe,… Aoka tsy hikitika sy hamatotra ny OMDA intsony aloha ny Ministeran'ny Kolontsaina”, hoy ny artista. Ny filohan'ny Filan-kevimpitatanana nifandimby hatramin'izay dia niaro sy nifanakalo hevitra ary nanaja ny rafitra nisy, saingy Atoa Francis Turbo dia manara-drenirano ny Ministera ka tsy ahitana taratra ny maha-lehiben'ny Filankevi-pitatanana azy, eo ihany koa ny fiavonavonana, hoy ny fanambarana. Ho an’i Goth Lieb manokana, nomarihiny manokana fa ilay kianja hilalaovan’ny mpanankato mihitsy no lasa teritery tsy hahafahana mivoatra intsony eto amintsika “Raha ny sitraponay dia esory eo imasonay io ramatoa io. Tsy mila hevitry ny mpikambana, tsy mila hevitry ny filankevi-pitantanana,…”, hoy i Princio.
Pati sy Toky R
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay

Card image cap
22-mai-2025

Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity

Card image cap
21-mai-2025

Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny

Card image cap