airtel

kolontsaina

28-mai-2025

Silo hihira

Mahaleo Rahariva no fotoana

Sample post image

Rahariva izany no fotoana miaraka amin’i Silo etsy amin’ny Enceinte Urban Futsal Galaxy Andraharo

28-mai-2025

manomboka amin’ny 7 ora hariva. Rehefa avy naka milamina an'iny fetin'ny reny iny, niaraka tamin'ny fo, fanahy sy saina feno fitoniana, hoy i Silo, dia hiatrika matsiro an'ity herinandro ity ndray. Silo hihira Mahaleo! Izay, hoy izy, no tetikasa kely ho atolotra antsika satria nanokatra lalana ho ahy ireo zoky ireo ary nangatahako lalana koa hitondrako sy hanampiako aingam-panahy entina hanamafy ny fankafizantsika Mahaleo. Maharitra ora 3 ny fampisehoana, raha ny fandaharam-potoana napetrak’ity mpanakanto malagasy ikoizana amin’ny fitendrena vatamaroafitsoka sy gitara samihafa ity ka dia eny an-toerana tokoa, araka izany, no mahita ny tsirony, hoy ny filazany azy izay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-juin-2025

Tontosa ny 21 jona teo tao Antsirabe ny fifanaovan-tsonia amin'ny fomba ofisialin’ny

Card image cap