hoy I Mahery ao amin’ny tarika Johary nanasa ireo mpankafy mozika Malagasy tsy anavahana mba ho avy eny an-toerana amin’io fotoana io. Hisy tsiaro kely SDF, Johary, RR Majunga ihany koa, hoy izy, ankoatran’ny findramana ireo hira nataon’I Ghaby tao amin’ny tarika Jeneraly. Silo sy Mahery moa no hiantoka izay revy hava mihitsy amin’ity indray takariva ity izay. Ny fifankatiavan’izany Silo izany sy ny vatamaroafitsoka koa moa tsy manam-paharoa ka dia inoana sy antenaina, araka izany, fa tsy hahafaty antoka ireo izay te handre mozika vao izay ity alina ity.
J. Mirija
Tontosa soamantsara ny fitsidiham-paritra na “Tour de Mada” nataon’ny fikambanan’ny mpitsabo Malagasy FITRAMA izay nofaranana tao Antsiranana, Ambanja,