airtel

kolontsaina

15-févr-2024

Solo Andrianasolo sy Tempo gaigy

Hanafana ireo mpifankatia eny amin’ny Madagascar Espace

Sample post image

Ho fanomezana fahafaham-po ireo mpifankatia ao anatin’izao fankalazana

15-févr-2024

ny fetin’ny mpifankatia izao dia manolotra hetsika miavaka ny “ Madagascar Espace” etsy amin’ ny By Pass, hoy omaly ny fampitam-baovao. Ny alin’ny rahampitso 16 febroary manomboka amin’ ny 7 ora hariva, hoy ny fanazavana, dia hisy ny atao hoe «Alin’ny mpifankatia» izay hafanain’ny mpanankato, Solo Andrianasolo. Hisy koa ny fanafanana lanonana na “Animation DJ” ho fiarahana mitotorebika ary miaraka amin’ny mpanankanto tsy ampoizina efa za-draharaha sy matihanina ao anatin’ny Tantara an-kira na “Comedies musicales”. Hisongadina ao anatin’ny fiarahana ny fanomezan-danja ny fitiavana araka ny hiran’i Solo hoe “Mahery ny fitia”. Sady ho raitra ny haingon-tsehatra no ho matihanina tanteraka ny fampisehoana, hoy ny fampanantenan’ny mpikarakara. Mafilotra koa ny sakafo ary maro isafidianana. Ho an’ireo tsy afaka ny zoma dia misy tolotra miavaka koa ny sabotsy 17 Febroary, manomboka amin’ny 7 ora hariva ihany. Hanome aina ny fiarahana indray amin’io ny tarika Tempo Gaigy. Manotrona azy ireo ny mpanentana lanonana matihanina hivetso izay hira ankafizin’ireo mpifankatia ho avy eny an-toerana ao anatin’ny “comedies musicales” sy ny fanentanan’ny DJ, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique