airtel

kolontsaina

22-juin-2026

STAR TOUR TANA 2026

Fahombiazana tanteraka !

Sample post image

Fahombiazana tanteraka ny Star Tour Antananarivo

22-juin-2026

taona 2026 nokarakarain'ny orinasa Star teny amin'ny Coliseum Antsonjombe. Olona an'aliny no tonga niala voly teny an-toerana niaraka tamin'ny namany sy ny ankohonany nandritra ny 3 andro, hetsika tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny Fetim-pirenena 26 Jona. Raha tsiahivina kely dia feno dia feno ny fandaharam-potoana nandritra ireo 3 andro ireo. Nisy hatrany fanentanana niavaka niarahana tamin’ireo mpanentana matihanina isan'andro nahitana an'i Fou Hehy, Barhone, Teg, DJ Three T, DJ Looping ary DJ CYEMCI. Nanafana ny lanonana kosa ry LJO sy Lion Hill tamin'ny Zoma 19 Jona teo izay nahavory olona marobe tokoa. Ry Mad Max sy Rossy kosa no nampifaly ny vahoaka afak'omaly Sabotsy 20 Jona izay nofaranan'i Nael sy Stephanie omaly Alahady 21 Jona. Nisy hatrany moa ny asa fanadiovana notanterahin'ny orinasa Star teny an-toerana hatramin'ny omaly hariva ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka.
Pati
Légende : Nangotraka tahaka izao ny lanonana !
 

Dans la même rubrique