airtel

kolontsaina

30-mars-2021

kolontsaina

Taa Tense Notolorana “Chevalier de l'ordre National Malagasy”

Sample post image

Nanainga omaly hariva teto Antananarivo io ny nofo mangatsiakan’ilay mpanakanto Rajaonarivony Tsizaraina Nathalie Hortense na i Taa Tense,

30-mars-2021

 

 

 

 ka nihazo avy hatrany an'i Fandriana, Amoron'i Mania. Nialoha ny niaingan’ny faty tetsy amin'ny Gymnase Couvert Akorondrano dia nasondrotra ho eo amin'ny laharam-boninahitra Chevalier de l'ordre National Malagasy i Taa Tense, ho fankasitrahana ny zava-bitany tamin’ny fanandratana ny kanto malagasy. Nanatanteraka izany araka ny didim-panjakana laharana 2021-351 tamin'ny 26 Marsa 2021, araka ny fahefana nomena azy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo. Niara-niombona, nifanotrona teny an-toerana ny mpiara-miasa eo anivon'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Tale Jeneraly misahana ny tetik'asan'ny Filoham-pirenena, ireo mpanakanto maro fa indrindra ireo mpankafy an'i Taa Tense. Handrasana ao Ambohibary Fandriana ny faty anio Talata 30 Martsa. Rahampitso Alarobia kosa no hatao ny fandevenana azy ao Ampotaka Ankafobalo, Kaominina Tatamalaza misy ny fasan-drazany ho fanatanterahana hafatrany fahavelona.

 Jean D.

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap