airtel

kolontsaina

20-avril-2023

kolontsaina

TALE VAOVAON’NY OMDA Aloa aloha ny zon’ny mpamorona 4 volana…

Sample post image

Nandray ny toerany nanomboka omaly ny talen’ny Ofisim-pirenena misahana ny zon'ny mpamorona na ny OMDA vaovao Joelinirina Rarivoson.

20-avril-2023

Tontosa omaly alarobia maraina ny famindram-pahefana teo aminy sy ny tale mpisolo toerana, Randrianirina Rogesselin. Nambaran’ny talen’ny OMDA vaovao araka izany fa hiroso amin'ny fampiroboroana ny asa eo anivon'ity fitaleavana ity ny tenany ary vonona ny hifandray sy hiresaka amin’ny rehetra. Ho an’ireo mpanankato manan-kevitra entina hanatsarana zavatra dia nambarany fa tsy mba manana olana amin’izy ireny ity talen’ny OMDA vaovao ity. Laharam-pahamehana ny fandoavana ny fisotroan-dronon’ireo zokinjokiny, zon’ny mpamorona efa vonona, ny karaman’ny mpiasa. Halefa tsikelikely isaky ny sokajiny, ka alefa aloha ny tao anatin’ny 4 volana farany, ary mbola hojerena ny tetiandro ho an’ny efa hatrany amin’ny 2022, raha ny ny nambaran’ny Tale vaovaon’ny OMDA. Tsy afaka nandray fanapahan-kevitra ara-bola ny mpitantana vonjimaika, fa ny fandraisana ny zon’ny mpamorona kosa ny nitohy, ary voalaza fa nitombo aza ny vola niditra.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny famindram-pahefana omaly !
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap