faritra miisa 6 dia i Atsimo atsinanana, Fitovinany, Vatovavy, Matsiatra ambony, Amoron’Imania, Ihorombe, hoy ny Tanora FIZAFAFI na Tanoran’ny Fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa, nandritry ny fampahafantarana ny fitsanganan’ity rantsan’ny FIZAFAFI ity tetsy amin’ny Le Louvre Antaninarenina omaly. Miavaka amin’ny fananany kolontsaina maroloko ny faritany, hoy ny fanazavana. Manana foko maro indrindra ihany koa. Manana tanora matanjaka, mavitrika, tia mandray andraikitra, tia misehatra amin’ny resaka fampandrosoana koa i Fianarantsoa. Nisy ny fanatonana ireo raiamandreny avy any Fianarantsoa monina eto Antananarivo mba hisian’ny fifanakalozana ahafahana mametraka firaisankina ho fampandrosoana ilay faritany. Tapaka fa hatsangana ny Tanora FIZAFAFI eto Madagasikara ary mitsangana manaraka ny lalàna mifehy fikambanana eto Madagasikara izany ankehitriny. Tapaky ny birao fa filoha am-boninahitra ny filoha mpanorina ny FIZAFAFI dia ny filohan’ny antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa. Miisa 6 kosa ireo filoha mpiara-mitantana. Tsapanay tanora fa ilaina ny firaisankina anjakan’ny fifanakalozana! Hisy ny fihaonambe tsy ho ela iraisan’ny rehetra zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa ary tsy ho ela, hoy hatrany ny Tanora FIZAFAFI.
J. Mirija
Misy hafatra manokana hoan’ny malagasy ao ambadiky ny fankalazana
Teo amin’ny taona 1990 no tsikaritra ho niha maro ireo milaza azy ho mpandala
Feno 62 taona katroka ny 17 martsa teo i Jacquot Christian Randrianarison
Nisy nanaparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny horonan-tsary