airtel

kolontsaina

29-juin-2023

kolontsaina

Tantara amin’ny onjampeo Ho lalaovina an-tsehatra koa ny «Anjara voasedra ve?»

Sample post image

Hitohy any Antanifotsy indray ny seho an-tsehatra iarahana amin'ireo mpilalao tantara amin'ny onjampeo ka hiseho

29-juin-2023

vahoaka any an-toerana ny alahady 2 jolay izao amin'ny 1 ora sy sasany tolakandro ao amin'ny kianja malalaka Mb Terezy i Niravo, Rakoto, Faly, Synèse ary Antsa Ravaka, hoy ny fampitam-baovao voaray. Holalaovin'izy ireo an-tsehatra amin'izany ilay tantara nosoratan'i Niravo Randria hoe "Anjara voasedra ve?". Hisongadina amin'izany tantara izany ny fiainana andavanandron'ny fiarahamonina sy ny olan'ny tokantrano. Ny olana eo amin'ny mpivady sy ny mpifankatia ary ny adin-tsaranga anaty tontolo samihafa. Hampitana ny anatra sy ny hafatra ho an'ny tanora ary ny ray aman-dreny izany seho an-tsehatra izany fa eo koa ny fampihomehezana sy ny fitaintainana ary koa ny alahelo. Hifanakaiky kokoa ny mpilalao sy ny mpankafy amin'io fotoana io raha nohenoina tany anaty onjam-peo hatramin'izay. Hanelanelana izany ny hira sy ny fanentanana samihafa. Handrindra ny lafiny teknika sy ny sehatra i Bruno Rakotomalala. Tsiahivina fa efa avy nanao seho an-tsehatra teny Andranoro sy Ambohimiandra Ampangabe ireto mpilalao tantara amin'ny onjam-peo ireto ary izao nitodi-doha any Antanifotsy izao indray, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray avy amin’ity ekipana tantara an’onjapeo ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique