airtel

kolontsaina

22-mars-2024

Tantara amin’ny onjapeo entina an-tsehatra

Ho eny Antanetibe Mahazaza ny Iray Fy’Art

Sample post image

Hanokafan'ny tarika Iray Fy'Art ny fampisehoany amin'ity taona ity

22-mars-2024

ny fiakarana an-tsehatra eny Antanetibe Mahazaza, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Hotanterahina ny alahady izao, amin'ny 1ora tolakandro, eo anoloan'ny "Cantine" CEG Mahazaza izany. Lohatenin'ny seho hataon'izy ireo ny hoe "Ny herin'ny vola". Tantara maneho ny fiainana an-davan’andro ifanjevoan'ny resa-pitiavana sy ny tazon-karena. Eo koa ireo trangam-piarahamonina iainana amin'izao fotoana izao sy ny fampihomehezana eny an-tsefantsefan'ny tantara eny. Hitondra izany eny an-tsehatra ireo mpilalao tantara amin'ny onjam-peo ahitana an'i Niravo, Antsaravaka, Rakoto, Faly, Synèse. Hisahana ny fandrindrana ny seho sy ny lafiny teknika ary ny fanentanana kosa, i Bruno Rakotomalala. Hifanakaiky kokoa amin'ireo mpankafy izahay amin'izany seho izany. Heno anaty onjem-peo foana ny feonay fa amin'izao kosa tena hifanatrika sy hifampitakosona amin'ireo mpankafy sy ny mpanaraka tantara izahay, hoy izy ireo. Tafiditra amin'ny faha 45 taonan'ny CEG Antanetibe Mahazaza izao fampisehoana izao. Mikarakara izany ny biraon'ny maintiomaly sy ireo ray aman-drenin'ny mpianatra. Hitohy hatrany ny seho ataon'ny Iray Fy'Art ka any Andraikiba, Antsirabe, izy ireo ny 21 aprily. Any Arivonimamo ny 28 aprily ary ny 5 may kosa eny Manankasina Fenoarivo, raha ny fandaharam-potoana nozaraina hatrany mikasika ity tantara amin’ny onjapeo entina an-tsehatra ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique