airtel

kolontsaina

18-avril-2024

Tantara amin’ny onjapeo lalaovina an-tsehatra

Hitodi-doha any Andraikiba ny Iray Fy’Art

Sample post image

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

18-avril-2024

ao amin'ny kianjan'ny Ekar St Joseph Andohalo, hoy ny fampitam-baovaon’ity tarika mpamelona an-tsehatra ireo tantara lalaovina anaty onjampeo ity. Hitondra an-tsehatra ilay tantara nosoratan'i Niravo Randria mitondra ny lohateny hoe "Ny herin'ny vola" izy ireo. Hamelona izany ireo mpilalao tantara amin'ny onjam-peo dia i Faly, Rakoto, Synèse, Niravo ary Antsaravaka. Handrindra an-tsehatra sy lafiny tekinika ary fanentanana kosa i Bruno Rakotomalala. Tantara maneho ny fiainana andavanandro sy ny trangam-piaraha-monina amin'izao fotoana izao izy io. Ifanjevoan'ny resa-pitiavana sy ny tazon-karena ary koa ny fitodihana amin'Andriamanitra, hoy ny mpanoratra, Niravo Randria. Nambarany fa ho hita eny an-tsefantsefany eny ny mampihomehy, ny mampalahelo ary koa ny fitaintainana. Fotoana koa io ifanakaikezan'ny mpankafy sy ireo mpilalao tantara amin'ny onjam-peo, hoy izy. Notsiahiviny fa anisan'ny tanjon'izy ireo ny hamerenana indray ny nataon'ireo mpilalao tantara teo aloha.Tsy nisy nanohy intsony ny seho an-tsehatra niarahana tamin-dry Vahandanitra, Clotilde, Clara sy ny tariny ka tsy afaka ny hiandry ny hafa izahay ka noraisinay ny fanilo, hoy ihany Niravo. Ho eny Arivonimamo izy ireo ny alahady 28 aprily. Hitohy eny Manankasina Fenoarivo izany ny 5 may arahin'ny any Ambohimandroso ny 20 may ary eny Lavahintsiny, Anosiala ny 26 may izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fampahatsiahivana nataon’ny Iray Fy’Art.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

29-avril-2024

Nodimandry omaly maraina tokony hobtamin'ny 7 ora sasany teo amin'ny faha 48 taonany i Andriamazava

Card image cap