airtel

kolontsaina

20-déc-2021

kolontsaina

Tantara an-tsehatra “Ziglo” Nojerena tao amin’ny Ivokolo Soarano

Sample post image

Ho fialana amin’ny tantara an-tsehatra mahazatra no namoronana ny teatra mitondra ny lohateny hoe “Ziglo” ny taona 2000 tany, hoy I Tsitohery Raoul,

20-déc-2021

 mpanoratra sy mpandrindra an-tsehatra izany nandritry ny fandefasana azy tao amin’ny Ivokolo Soarano ny sabotsy teo. Fanineniny teo izay no nilalaovana azy an-tsehatra ary nilalao azy tany am-boalohany ry Solofo Jose sy Christophe Rabearimanana ary ny minisitry ny kolontsaina ankehitriny, Lalatiana Rakotondrazafy, hoy izy. Fitiavana foana tsinona no notantaraina matetika rehefa hoe teatra. Ity kosa dia nampanarahana toetr’andro ary azo lazaina ho maminavina hoavy na “fiction” aza. Tantarana manan’aina ivelan’ny tany na “extraterrestre” nilatsaka tamina tanana kely iray teto Madagasikara izy io, hoy hatrany ny tenany. Hita ho miha maro koa tetsy an-kilan’izay ireo mponin’Antananarivo liana amina teatra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique