airtel

kolontsaina

19-sept-2023

TAOM-BAOVAO IRAISAN'NY MALAGASY

Noraisin’i Toliara nanomboka omaly

Sample post image

Taorian’i Mahajanga dia i Toliara indray no voafidy handray ny hankalazana ny taom-baovao iraisan'ny Malagasy nanomboka omaly Alatsinainy 18 Septambra.

19-sept-2023

Vory lanona any an-toerana avokoa ireo olobe avy amin'ny faritra 23 manerana ny Nosy, hetsika natao teo amin’ny jardin de la Mer. Fanentanana sy diabe no nisantarana izany tamin’ny andron’ny omaly entina hampahafantarana ireo mponina any Toliara ny soa toavina Malagasy sy ho fampiraisana ny foko 18. Amin’ny ankapobeny mantsy dia mbola betsaka ireo tsy mahalala izany noho ny tsy fisian’ny fampahafantarana indrindra fa ny mahakasika manokana ity taom-baovao Malagasy ity. Tonga ao Toliara avokoa noho izany ireo vovonan'ny Ray aman-dReny ara-drazana manerana an'i Madagasikara izay nanamafy ny mahazava-dehibe izao hetsika izao noho izy manamafy ny fihavanana sy mampiray ny samy Malagasy. Ny indro kely tamin’ity hetsika haharitra hadimiana ity dia tsy mbola nisy hatreto ny tena fankatoavan’ny fitondrana Repoblikana azy. Raha anisan’ny nandrandrain’ireo vovonan’ny Ray aman-dReny ara-drazana ohatra ny tokony ho nanaovana ny andro tsy hiasana ny andron’ny omaly Alatsinainy 18 Septambra nefa handraisan-karama dia tsy mbola tanteraka izany hatreto. I Toliara anefa raha tsiahivina no faritra farany handray ity taom-baovao iraisan’ny Malagasy ity fa efa voatety avokoa ny faritany rehetra.
Pati
Legende : Ireo olobe tonga nanatrika nandritra ny fanokafana omaly !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Hatramin’izao dia mbola tsy eken’ny fanjakana malagasy ho andro tsy fiasana

Card image cap