Anisan'izany ny firenena Sinoa izay mampiasa ny antsoina hoe « Calendrier Lunaire » ka ny « Fête du Printemps » na « Nouvel An Lunaire » no fiantsoana izany. Ity kalandrie ity dia manaraka ny tsinam - bolana voalohany izay mifanindry amin' ny fiovan' ny taona sy ny fety, antony mahatonga ilay daty miovaova foana isan-taona. Ny amin' ity taona ity dia manomboka ny 22 Janoary 2023 izy io izany hoe : omaly alahady ka hatramin' ny 09 febroary 2024, izay antsoina hoe : taonan' ny bitro. Ny teto amintsika dia natomboka ny sabotsy 21 janoary 2023 lasa teo izany fankalazana taom-baovao sinoa izany, izay notontosaina teo anoloan' ny Lapan' ny tananan’ Analakely. Tonga nanotrona izany ny olo-manan-kaja maro toa an ' Andriamatoa Zhang Wei « Chargé d' affaires » an' ny masoivohon’i Chine eto Madagasikara, ny mpitantana ny « Institut Confucius » eny amin' ny oniversiten’ Antananarivo, mpandraharaha sinoa sy mpikambana « Association de la Communauté Chinoise à Madagascar », ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny kaomandy ambonin’ny Zandarimaria sy polisim-pirenena , solontenan ' ny kaominina Antananarivo renivohitra, ny talen’ny tetikasa eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika sy ny marohafa « Fiarahana miari-tory ary fandretana labozia sy afo mena hanoherana ny zavatra sy fanahy ratsy mety handripaka tokantrano iray, no ataon'ny fianakaviana sinoa eo am-piandrasana ny « Fête du Printemps ». Sakafo mafilotra sarotra karakaraina tsy fanao isan’andro, toy ny paty lava be mariky ny fahalavan'ny andro iainana, no hiarahan' ny fianakaviana mihinana ny taom-baovao. Loko mena kosa no marika fahombiazana ho an' ny kolontsaina sinoa » hoy i Sylvianna CHUE NOE mpampianatra ao amin' ny « Institut Confucius » eny amin' ny oniversiten’Antananaruvo. Na dia nirotsaka tsy niato aza ny orana dia tsy nampihena ny fahavitrihana sy ny kalitaon’ ny seho izay natolotr'ireo mpianatry ny « Institut Confucius » ho an' ireo olona maro tonga nanotrona izany fety be miavaka izany tamin’ny sabotsy teo. Nifandimby tao ny hira, ny dihy, ny fitantarana angano, ny fisarihana sy fizarana loka samihafa ho an 'ireo nitsikian’ny vintana, fampisehoana hay ady ary ny « Danse du Lion » izay tena manamarika ny fankalazana ny kolontsaina sy ny taom-baovao Sinoa.
Nangonin’i Pati
Voalohany, ny hevitra no amaharana fanao fototra. Tsy azon’Ny Mpanolo-tsaina heverina izany hoe fifidianana