airtel

kolontsaina

29-avril-2025

Taratry ny mazava

Eo am-panomanana ny rakikira faha-7

Sample post image

Hoavy amin’io volana may io ny voka-dehiben’ny Taratry ny mazava, hoy ny filohan’ity antoko mpihira ity,

29-avril-2025

Ralaiarimanana, ka manasa ny zanaka am-pielezana rehetra ho tonga maro eo amin’ny Gamo Ampasampito. Faly miarahaba ireo mpiray tanindrazana sy isika rehetra eto Antananarivo, hoy izy, hifanontrona indray, hiara-hikoràna ny alahady fahatelon’io volana may io, izany hoe afaka 1 volana. Hisy ny vokatra tahaka ny vary izay amidy eo amin’ny 15.000 Ariary eo sy tsakitsaky isan-karazany. Hisy ihany koa ny fandraisana fanasan’ny Tompo izay iarahana. Ny Taratry ny mazava amin’io no hihira ireo hira vaovao izay hivoaka atsy ho atsy. Ny vola azo amin’io koa moa no hanatontosana ireo rakitsary na «clip» an’ny tarika amin’ity taona ity dia ny rakikira faha 7 izany. Eo am-panomanana izay rakikira faha 7 izay moa izahay izao, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay

Card image cap
22-mai-2025

Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity

Card image cap