airtel

kolontsaina

22-févr-2022

kolontsaina

Taratry ny mazava Ho avy ny rakikira faha 6

Sample post image

Ao anatiny hatrany amin’ny ezaka fanorenana toerana fitaizana tanora ao Ambohidahy izay hifarimbonan-drizareo zanaka am-pielezana ao amin’ny kaominina Ambohidanierana

22-févr-2022

 dia nisy ny fotoam-pivavahana notanterahan’izy ireo tetsy amin’ny Gamo Ampasampito ny alahady 20 febroary 2022 teo. Nampahafantarina tamin’izany ihany koa ny hetsika ho ataon’izy ireo rehetra amin’ity taona ity. Hankalaza ny faha 20 taonany amin’ity taona ity ihany koa antokom-pihira zanaky ny kaominina na ny “Taratry ny mazava” ka dia ao anatin’ny fihetsiketsehana momba izany izy ireo ankehitriny. Hikarakara ihany koa ny rakikira faha 6 ny antoko mpihira ka miantso ny malalatanana rehetra hanohana izany ho fanohanana ny fitoriana ny filazantsara. Isan’ny ezak’izy ireo amin’ity taona ity koa tsinona ny fividianana fanamafisam-peo enti-mitory filazantsara an-kalamanjana mba tsy haha voatery hanofa amin’ny hafa intsony, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap