azy Na dia efa maherin’ny 40 taona aza izany tarika Iraimbilanja izany dia mbola tsy afaka am-bavan’ny betsaka ireo hira tena nahalalàna ny tarika, hoy ny isan’ny mpanorina azy, Andriampaniry Raveloarson na Niry. Hamerina hampiaina izany mozika rock nahafantarana azy ireo izany mihitsy, raha ny fanazavàny, no anton’ny seho ho atao etsy amin’ny La City Ivandry amin’ity zoma 4 jolay ity. Mbola ao foana ilay fanahy Raimbl nahafantarana ny tarika hatramin’izay ary antony mbola ijoroan’ny tarika hatramin’izao izany. «Alitara», «Mosara», «Tao an-tsekoly», izany rehetra izany sy ny hafa maro tsy voatanisa no hampanembona indray ny fahiny, hoy hatrany i Niry.
Nangonin’i J. Mirija