airtel

kolontsaina

26-mars-2021

kolontsaina

Tarika Mahaleo Notolorana mariboninahitra ambony

Sample post image

Tontosa omaly 25 martsa ny fanoloran’ny fitondram-panjakana ny mari-boninahi-pirenena ambony indrindra dia ny

26-mars-2021

 

 

  « Grand-Croix de 2ème Classe de l’Ordre National Malagasy » ho azy telo lahy mbola velona ao amin’ny Tarika Mahaleo sy ny “archiviste”-n’izy ireo, araky ny fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina avy amin’ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo. Notolorana izany i Rabekoto Honoré Augustin na i Bekoto, Andrianaivo Charles Bert, Rasolofondraosolo Zafimahaleo na i Dama, ary Razafimamonjy Jean Baptiste. Tonga nanolotra izany, amin’ny anaran’ny Filohan’ny Repoblika, ny Grande Chancelière de l’Ordre National Malagasy Madeleine Ramaholimihaso. Notolorana ny mari-boninahi-pirenena « Commandeur de l’Ordre National Malagasy » kosa Andriamamonjy Narivony. Nanolotra izany, amin’ny anaran’ny Filohan’ny Repoblika, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina. Manaja ny an-tanatohatry ny mariboninahi-pirenena izay efa azon’izy ireo izao fanandratana izao. Tonga nanotrona ny lanonana ireo fianakavian’izy ireo sy ireo mpanakanto naman'izy ireo. Manamarika zavatra maro ho an’ny firenena Malagasy ny Tarika Mahaleo, izay efa miditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taonany amin’izao fotoana izao.

Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap
17-avril-2024

Hiainga eny Talatamaty indray ny 5 may izao ny «Revy Mahaleo» i

Card image cap