7 taona izao no nikopa-kelatra ny tarika Nir’nah, izay tarihin’i Nirina na Raheliarisoa Nirina Stéphanie, hoy ny mpamorona ny tarika. Izay anarana Nirina izay rahateo moa, hoy izy, no nihavian’ny hoe «Nir’nah». Miisa 10 kosa ireo mpikambana anatin’ny tarika ka ahitàna mpihira 1 dia ny tenako izany. Feo lafika 2, Mpitendry 4, Mpandihy 3. Miisa 7 hatreto ireo rakintsary vita ary 8 ny horonam-peo. Na dia zanak’Ambohitrimanjaka, izany hoe, ato anatin’ny faritra Analamanga, aza ny tarika dia nametraka tanjona hivoy ny gadona tropikaly avy eto anivon-tany. Isan’ny fanamby apetraka ny haneho hoe mahay gadona mihetsika koa ny eto Analamanga ary afaka miara-dalana amin’ireo gadona mifangaro na «variété» koa anefa izany. Hivoaka tsy ho ela ny vokatra vaovao be mitondra ny lohateny hoe «Vadin’i DG». Hira hiangaliana amin’ny alalan’ny Soukouss izao izany, hoy hatrany ny tarika.
Nangonin’i J. Mirija