vakodrazana avy any amin’ny faritra Itasy fa mivoy ny kolontsaina manerana an’i Madagasikara, hoy ny mpitarika ity tarika mpanao vakodrazana ity, Razafindrabe Jean France Wysco. Na kolontsaina merina io, hoy izy, na betsimisaraka, sakalava, tandroy, vezo, ny rehetra. Anatin’ny atao hoe vakodrazana ny lafiny dihy, fiteny, taovolo, sy ny maro tsy voatanisa. Tsara ho an’ny tarika ny taona 2025. Nahatratra aman-jatony ny sehatra niakarana. Nitety faritra maro toa an’Itasy, Bongolava, Vakinankaratra, Amoron’Imania, Analamanga, distrika marobe. Nisy ihany ny lesoka tsindraindray teo amin’ny lafiny fikarakaràna saingy tsy natao sakana izany. Isaorana manokana ny fifanomezan-tanana tamin’ny solombavambahoaka ao an-toerana, Rajerison Antoine, sy ny onjapeo Fivoarana, izay nikarakara fifaninanana ho fampiroboroboana ity vako-pirenena ity ihany koa. Ho an’ny taona 2026 dia mbola maro ny vina tiana ho tanterahina sy hetsika tiana hatrehina. Ny faraparan’ny volana janoary teo dia efa maromaro ireo faritra notetezina. Isany i Arivonimamo, Ambohidratrimo, Antananarivo sy ny maro hafa. Manomboka ny taom-baovao malagasy volana martsa ihany koa dia efa maromaro ny sehatra misokatra. Mitohy any amin’ny fetin-tsekoly samihafa sy famadihana izany ary vonon-kiara-hiasa amin’ny rehetra moa ny tarika satria tanjona ny hamerin-kasina ny vako-drazana malagasy sy ny manodidina azy, hoy hatrany ny tarika.
J. Mirija
Ny mpitondra teo aloha namoafady, ny fanabeazana ara-kolontsaina tsy ampy