airtel

kolontsaina

25-nov-2026

TARIKA

RATALATA-40 TAONA NIJOROANA

Sample post image

Hihaona amin’ny mpankafy azy eny Ivato

25-nov-2026

Tarika tsy zoviana amin’ny maro intsony ny tarika Ratalata. Efa 40 taona ny nijoroana izy ankehitriny ary mbola manohy ny dian-kanto eo amin’ny sehatry ny mozika. Hihaona amin’ireo mpankafy eny Ivato izy ireo ny Sabotsy 28 Novambra ho avy izao amin’ny alalan’ny cabaret. Hanomboka amin’ny 3 ora folakandro ny fotoana eny akaikin’ny immeuble Floribis. Tsiahivina fa tamin’ny taona 1984 ny tarika Ratalata no niorina tao Ambodin’Isotry. Mpanakanto maro no efa niara-niasa tamin’ireo mpikambana 8 mirahalahy mandrafitra ny tarika toa an’i Kolibera, Fafah Mahaleo, Iraimbilanja ary Lolo sy ny Tariny. Anisan’ireo hira nampalaza ny tarika ny « Aiza ny marina », « Mampitsako vy » ary « Raha fitiavana ». Na izany aza dia fantatra fa hohirain’ny tarika amin’io fotoana io avokoa ny ankamaroan’ireo hira nahafantaran’ny maro azy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ny tarika Ratalata !
 

Dans la même rubrique