airtel

kolontsaina

08-juil-2024

Tarika TELOFANGADY

Nanaporofo indray fa tsara sy kanto ny hira

Sample post image

Malagasy Kanto, raitra, tsara. Izay no hamintinana ny seho "Gasikarako "

08-juil-2024

nataon-dry Telofangady omaly tolakandro tetsy amin'ny Ivokolo Analakely .Mazava be ny lohateny fa dia niompana tamin'ny fitiavan-tanindrazana ny fampisehoana , ka tamin'ny alalan'ny hira ba gasy miaraka amin'ny zava-maneno malagasy toa ny gitara, aponga tapaka, sodina, valiha no nanehoan'ny tarika Telofangady izany. Ankoatra ireo ba gasy, hira gasy nahalalana ny tarika, dia niditra teny antefatsefany teny i Dr Liva nanentana sy nanao hatsikana. Izy moa dia mpihira sady rahalahin'i Haja .Fotoana nampisehoana tamin'ny fomba ofisialy an'i Rado zanak'i Haja Telofangady ihany koa ny omaly. I Rado no voalaza fa hisolo an-drainy eo anivon'ny tarika; somary nanao vazivazy moa ity farany hoe : " raha tian'ireto mpijery ireto ialahy dia afaka mandeha". Feno hipoka i Ivokolo, na dia alahady hariva aza, eo ireo mpankafy mpanaraka my tarika efa ho 20 taona, fa tazana teny an-toerana ihany koa ireo olo-manan-kaja sy olom-boafidy ary olom-pantatra eo amin'ny fiainam-pirenena sy ny tontolo politika toa ny depiote Narson Rafidimanana sy Tahina Razafinjoelina, filoha mpanorina ny Firaisankinan'ny Tia Tanindrazana.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay

Card image cap
22-mai-2025

Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity

Card image cap