airtel

kolontsaina

29-avril-2022

kolontsaina

Tempo Gaigy Handrotsirotsy ao amin’ny Le Zoma Antaninandro

Sample post image

Na dia etsy amin’ny Le Zoma Antaninandro-Faravohitra aza no hitondra ny vazon’izy ireo amin’izao endriny ankehitrin’izao ny tarika isan’ny sangany tamin’ny fiangaliana « dance »

29-avril-2022

tamin’ny fotoan’androny na ny Tempo gaigy dia rahampitso sabotsy ry zalahy ireto no hamerina hampahatsiahy kely ireny revy niarahana fahiny ireny ao an-toerana. Handrotsirotsy ao amin’ny Le Zoma Antaninandro, araka izany, ry zalahy ireto satria dia iaraha-mahalala fa somary niditra kokoa tamina revy akostika miaraka amin’ny gitara izay izy ireo rehefa nanao fiverenana nanomboka tany amin’ny taona 2017 tany raha nitondra ny « Mety ahafaty », « Sambatra indrindra », « Vao maika mafonja » sy ny tohiny rehetra. Inoana anefa fa ho entin’izy ireo amin’izay endriny an-gitara izay ihany koa ireo hira namantarana azy ireo taloha toy ny « Ranomaso efa ritra », « Ramose tantata », « Ora iray tsy miverina » sy ry « Dokotera ».
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap