airtel

kolontsaina

02-févr-2024

Tempo gaigy

Miomana hamarana ny 25 taona

Sample post image

Miomana hamarana ny fankalazana ny faha 25 taona nisiany ankehitriny

02-févr-2024

ny tarika Tempo gaigy, raha ny fampitam-baovaon’ny tarika omaly. Amin’ity taona ity no hanatontosana izany ary ho fantatra miandalana eo ny fotoana sy ny toerana. Bandy mpiangaly ny gadon-kira Dance no nahafantarana ny tarika hatrany am-boalohany ary mbola tsy miala lavitra an’izany hatramin’izao saingy nanisy haingony maoderina kokoa ireo hira nampalaza ity tarika niforona tao Antsirabe ity hatramin’izao sy ireo vaovao taty aoriana. “Ora iray tsy miverina”, “Ranomaso efa ritra”, “Ramose tantanta”, “Sambatra indrindra”, santionany amin’ireo vazo nahafantarana ny tarika sy mbola tsy afaka am-bavan’ireo mpankafy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique