airtel

kolontsaina

31-mai-2023

kolontsaina

TENY GASY Aleoko lambo : tsy mpiasa, tsy mpanompo, tsy mpibaby

Sample post image

Roanjato sy arivo taona tany ho any no naiditra teto ny omby. Ny fandinihina ny zavamaniry sy ny fahasimban’ny ala no namantaran’ny arkeôlôgy izany.

31-mai-2023

Noho ny trafo mampiavaka azy, dia fantatra ihany koa fa «bos indicus», iray karazana amin’ny omby indiana ity lasa omby gasy ity.

Ny hoe «omby» (na ombe, aombe, añombe, anghombe) dia teny afrikana. Isan’ny fanontaniana saro-baliana amin’ny tantara dia ny anarana «lambo», izay midika hoe «omby» any Indonesia, anefa dia nampitondraina ny «kisoa dia» rehefa tonga teto Madagasikara. Noho ny tsy fisian’ny biby lehibe fanasinana ankoatra ny «kisoa dia» hoy ny soso-kevitra sasany.

Raha nompiana fotsiny fa tsy nohanina ny omby talohan-dRalambo, indrindra ka nohasinina, sao nandala ny fivavahana hindoa ny Ntaolobe fony mbola Vazimba ?

Mandran’ankehitriny moa, dia nomena toerana manokana ny omby, indrindra ny ombalahy : fanao sorona ireo manana volo miavaka (volavita, voatombo, volon-takatra), tafiditra amin’ny ohabolana ny anaram-batany (trafo, tandroka). Harena sy voninahitra ho an’ny tompony ny manana omby maro.

Heverina fa taorian’ny nidiran’ny omby vao afaka nihosy tanimbary ny olona, ka talohan’izany dia vary tomboka tsotra no natao, indrindra raha mbola vitsy ny mponina. Efa taty amin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 ihany koa vao natao mpitarika sarety ny omby.

Bonaika fanao sorona (isaky ny indray mandingana, hono, ireo mpilanja ny vatam-patin-dRanavalona tamin’ny 1861, dia nadaboka ny omby iray : dia toy izany hatrany mandra-pahatonga teny amin’ny Rovan’Ambohimanga avy eny amin’ny Rovan’Antananarivo), mpiasa be mpihosy tanimbary, mpanara-baiko mitondra zioga mitarika sarety : ireo marina tokoa anie ny omby.

Anefa dia ataontsika haingo amin’ny saina, amin’ny lelavola. Izao ary moa dia anaram-bosotra amin’ny ekipam-pirenena amin’ny baolina kitra : tsy ilay «omby resy», fa izy mbola «baria», «barea», ombimanga, omby dia.

Raha ny ahy, ny lambo, amin’ny mbola tsy maha resy azy ho kisoa fiompy sy fihinana, no omeko voninahitra : tsy mpiasa, tsy mpanompo, tsy mpibaby.

Tsetsatsetra tsy aritra : talohan’ny hoe «Ombalahi-bemaso», sao dia mba nisy ihany koa «Ralambo-bemaso» ?

VANF
 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Miantso ny Dokotera sy rasazy isany izahay, hoy ny sendikan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na SEMPINEMAD

Card image cap
02-mai-2024

Nanamarika ny andro iraisampirenena ho an’ny asa na ny 1 may tetsy Ivandry koa omaly ny SEMPINEMAD

Card image cap