airtel

kolontsaina

26-juil-2022

kolontsaina

TENY GASY Anky, ankibe, fanondroadala

Sample post image

Ato ho aho, tsy maintsy halaza ihany indray ny resaka ankibe mitraka na mitsingoloka. Na izy mitraka, na izy mitsingoloka, tsy mba fomba fanehoan-kevitra gasy fa fomba nindramina amin’ny any Andafy.

26-juil-2022

Nalaza indrindra tamin’ny andron’ny Romana : tany amin’ny roa arivo taona lasa tany, mba ho fanalàna hamohamo ny vahoaka, dia nikarakara lalao isan-karazany anaty kianja mifefy nantsoina hoe «Coliseum» ny Emperora. Isan’ireny ny ady nifanandrinan’ireo babo an’ady nofanina ho «gladiateurs». Rehefa lavo ny ankilany, dia mitodika any amin’ny Kaesara ny andaniny : raha mampiakatra ny ankibe izy dia velona ilay lavo ; raha mampitsingoloka kosa ny ankibe izy dia taperina ny ain’ilay lavo.

Ny fomba manao «like» amin’ny Facebook no tena mampalaza ankehitriny ny ankibe mitraka. Enti-milaza hafaliana, fisaorana, fankasitrahana. Mazava ho azy fa rehefa mifanohitra amin’ireo kosa (alahelo, hatezerana, fahadisoam-panantenana) dia sarin’ankibe mitsingoloka no aseho.

Asa moa, amin’ny andininy aiza amin’ny didy aman-dalàna eto Madagasikara no mamaritra io ankibe mitsingoloka io ho heloka. Fanehoan-kevitra somary maneso angamba tsy ompa, tsy ozona, tsy tevateva.

Ho an’ny mpitondra, tsy te hahazo ankibe mitsingoloka, tsotra rahateo ny atao : vahoaka tsy mosarena, afaka manantena rafi-pitsaboana manara-penitra marina, miandrandra fampianarana tsy mifamitaka ho an’ny zanany ary mahatoky ny mpitandro filaminana sy ny rafi-pitsarana. Ankoatra ireo, sarotra kosa aloha ny hahazo tehaka.

Tsetsatsetra tsy aritra reto ambany ireto, ho fanampim-pahalalana, dia ny halavan-drefy malagasy, mampiasa ny rantsan-tanana, araka ny fitanisa’ny «RAKIBOLANA» (Rajemisa-Raolison Régis) azy.

ANKY : halavan-drefy kely indrindra, mitovy amin’ny haben’ny ankibe iray, izay atao hoe iray anky na eranky na hoe voatondro iray.
ANTSEFAKA : halavan-drefy mitovy amin’ny elanelan’ny fanondro sy ny anky, izay hoe mitovy amin’ny voantondro efatra.
HAKIHO : halavan-drefy hatreo amin’ny loha-fanondroadala ka hatreo amin’ny kiho. Mitovy amin’ny roambinifolo zehy.
VOATONDRO : ny refy mitovy amin’ny haben’ny rantsana iray izay atao koa hoe anky.
ZEHY : halavan-drefy hatreo amin’ny ankibe ka hatramin’ny tendron’ny fanondroadala henjanina tsara. Ny halavan’ny zehy iray dia mitovy amin’ny voantondro valo na folo eo ho eo.

VANF

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap
17-avril-2024

Hiainga eny Talatamaty indray ny 5 may izao ny «Revy Mahaleo» i

Card image cap