airtel

kolontsaina

05-déc-2022

kolontsaina

TENY GASY Antananarivo-Toamasina : RN2 avela ho faty, autoroute no mahafatifaty

Sample post image

Fony Gallieni hampanao ny lalana Antananarivo-Toamasina, tsy teo am-panombohana izy no nanao fetifety sanatria

05-déc-2022

tsy ho arahina asa, fa rehefa vita manontolo ny 350 kilometatra vao nisaotra Zanahary izy sy ny mpandimby azy.

Ampatsiahivina fa septambra 1896 ka hatramin’ny mey 1905 i Gallieni no Governora Jeneraly teto Madagasikara.

Efa tamin’ny andron’i Gallieni ihany koa no nisy ady hevitra raha hamaky avy hatrany eo Mandraka sa hidina moramora kokoa mankany Alaotra vao miatsinanana mamonjy Fenoarivo-Atsinanana. Misy dia misy tokoa izay lalana Fenoarivo-Vavatenina-Ambatondrazaka-Anjozorobe-Antananarivo izay, RN22-RN44-RN3, saingy navelan’ny Repoblika nifandimby ho lalam-potaka tsy azo andehanana intsony. Isika mantsy kinga raha hitokana ny vao saingy tsy mahay mikarakara ny efa fananana.

Raha nampitohy ny Renivohitra amin’ny Ranomasina Indiana i Gallieni, tsy lalana ho an’ny fiarakodia ihany no nataony, fa nasiany lalamby izay mbola tsy voasolon’ny Repoblika malagasy hatramin’ny 1910. Tahaka ny ala atsinanana, izay efa lasa saribao miandry mpividy etsy Amoronankona, dia anaran-tsy very sisa izany «TCE» (Tananarive-Côte Est) izany. Raha mbola nandeha soa aman-tsara anefa io lalamby io, tsy ho simban’ny vesatry ny fiarabe mpitatitra entana ny Lalam-pirenena faharoa : adin’ny telo manimba fiara Antananarivo-Moramanga fotsiny, tsy misy maha-lalana intsony ny RN2, fa vakan-davaka sisa ny tara.

Ampatsiahivina ihany koa, fa ny 19 desambra 2017, tany Toamasina, no nanambara ny fitondran’ny Filohan’ny Repoblika teo aloha, Rajaonarimampianina, fa hanao io «autoroute» Antananarivo-Toamasina io.

Fa na 2017 na 2022, azo inoana ve raha Fanjakana tsy mahavita mikoja sy mikarakara ary manarina Lalam-pirenena faharoa, no antenaina hahatontosa an-tsakany sy an-davany «autoroute» mbola hanotofana tanimbary hafa, mbola hangadiana tendrombohitra hafa, mbola handringanana ala sy vakoka ? Tamin’ny andron’i Gallieni tokoa, tsy mba nisy «études d’impact environnemental»...

VANF


 

Dans la même rubrique